FOKTIM Ambohimanandray – Fanamafisana ny antoko ny fanetsehana ny fototra

Isambilo

Nanavao ny birao mpitantana azy ny alakamisy teo ny FOKTIM Ambohimanandray, ao amin’ny Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra. Tafajoro nandritra izany ny birao vaovaon’ny FOKTIM, mbola lany ho filoha Ramatoa Rasoarilala Josephine, nisy fanavaozana kosa ireo mpikambana amin’ny birao. Nandritra izany koa no natao ny famelomamaso ny antoko TIM tao amin’ity fokontany Ambohimanandray Ambohimanarina ity.

Tonga maro ireo mpikatroka tamin’io fotoana io. Nanome voninahitra ny fotoana ny solontenan’ny DisTIM Boriboritany faha-6, ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga. Nivoitra nandritra ireo lahateny nifandimbiasana fa fanamafisana ny antoko ny fanetsehana ny fototra toy izao natao izao. Nandritra izao fotoana izao koa no nananganana ny birao’ny Tanora sy ny Vehivavy TIM Ambohimanandray.

Namaranana ny fotoana ny fiaraha-miasakafo, nifampizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana, izay nomanin’i Martial Tovonirina, Malagasy avy amin’ny GTT-RMDM Diaspora La Reunion, izay mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana.