22 febroary 2002 – Nitondra aina vao ho an’ny Malagasy

Ny Valosoa
Vaninandro manan-tantara ny 22 Febroary, na ho antsika Malagasy, na ho an’izao tontolo izao , satria ny 22 Febroary no andron’ny skotisma erantany, ny 22 Febroary 1946 no nijoro ara-panjakana ny MDRM tany Frantsa ary ny 22 Febroary 2002, no nanao ny fianianana voalohany ny Filoha Ravalomanana teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina.

ANDRON’NY SKOTISMA ERANTANY

Ny 22 Febroary 1857 no teraka i Baden Powel, ilay miaramila britanika nanangana ny skotisma, izay no antony nandraisana ny vaninandron’ny 22 Febroary ho andron’ny skotisma erantany, mankalaza io andro io avokoa ny firenen-drehetra izay misy skoto, ka anisan’izany isika eto Madagasikara.

Lavabe raha ho tanisaina eto ny mikasika ny skotisma, fa izay heverina fa zava-dehibe ihany no ampatsiahivina dia ireto avy:
– Mino an’Andriamanitra ilay telo izay iray ny skotisma dia ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina ary manankina ny asa ataony amin’Andriamanitra.
– Manampy sy manaja ny mpiara-belona aminy tsy misy tambiny.
– Miezaka mitondra ny tenany amin’ny fahamendrehana.
– Antra biby sy tia zavamaniry.
– Tsy mikitika zavamahadomelina.

Santionany ihany ireo fa ny azo amehezana azy dia olompirenena azo itokisana satria sady mino ilay Mpahary, no miasa amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.

Hita taratra eny amin’ny fiarahamonina ny olona niaina tao anatin’ny skotisma , ka azo anankinana andraikitra, porofon’izany ny finiavan’ireo Skoto tany Mananjary taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai , nandray anjara antsitrapo nanadio ny tanàna teo ambany fitarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana, tsy vitan’izany, f’ireo Skoto ireo dia sahy nanohitra mivantana ireo olona dimy voakaraman’ny “Governora” 15000 Ariary isan’olona.

NY FIJOROAN’NY MDRM TANY FRANTSA

Isika malagasy dia zanatany frantsay nanomboka ny 06 Aogositra 1896, noho izany dia tsy maintsy nanampy an’i Frantsa tamin’ny ady lehibe anankiroa dia ny “1914-1918” sy “1939-1945”, maro ny endrika nisehoan’izany fanampiana izany: toy ny fandefasana miaramila vatandehilahy malagasy niatrika ny tany ambava ady, tao koa ny famatsiana ireo miaramila tany an’ady , nisy tamin’izany ny nantsoina hoe “office du riz” dia ny fandraofana ny ankabeazan’ ireo vary vokatra, izay tsy maintsy nalefa tany Frantsa, sns…

Ireo trangan-javatra ireo no nahatonga saina ireo teratany malagasy niasa sy nianatra tany Frantsa, ka vao nitsahatra ny ady lehibe faharoa ny 08 Mey 1945 dia nanapakevitra ireo tia tanindrazana malagasy ireo hanangana antoko politika, ahazoana mitaky amim-pilaminana ny fahaleovantena, ka tsy mila fampiasan-kery fa resaka amim-pitoniana no noeritreretina natao tamin’ny frantsay.

Ny fahavitan’ny ady lehibe faharoa rahateo no nahatonga ny fijoroan’ny Firenena Mikambana, izay vokatry ny “Charte de San Fransisco”, niarahan’ireo firenen-dehibe nanatanteraka ny 26 Jona 1945. Ny Firenena Mikambana izay manana tanjona hampisy ny fandriampahalemana manerana an’izao tontolo izao.

Tsapan’ireo tia tanindrazana tany Frantsa ny fivoaran’ny toedraharaha erantany , dia izay no nohararaotin’izy ireo nametraka ny fangatahana hanangana ny antoko.

Nahazo fankatoavana avy tamin’ny fitondrana frantsay ny fijoroan’ny “Mouvement Democratique pour la Renovation Malgache” na “MDRM” ny 22 Febroary 1946, ny Dr Raseta Joseph Delphin, ny Dr Ravoahangy Andrianavalona Joseph, ny Dr Rakoto Ratsimamanga Albert, Rabemananjara Jacques, Raherivelo Ramamonjy , Rabemananjara Raymond William, sns…

Vetivety dia niely taty an-tanindrazana io fijoroan’ny “Mdrm” io, ka maro ireo mpiray firenena taty an-tanindrazana nanatevin-daharana ny antoko, ny Dr Rakotonirainy Joseph no Sekretera Jeneralin’ny “Mdrm” taty an-tanindrazana nikarakara ny fananganana ireo sampana sy fandraisana ireo mpikambana.

NY FIANIANANA VOALOHANY NATAON’NY FILOHA MARC RAVALOMANANA

Notanterahina ny faran’ny taona 2001 ny fifidianana filohampirenena teto amintsika, nazava ny vokatra nanerana an’i Madagasikara, fa nitarika hatrany ny Filoha Ravalomanana, ny voka-pifidianana navoakan’ny “Hcc” izay natao ivelan’ny Lapa satria tany Mantasoa, no nanaovana azy dia nanambara fa tsy maintsy hisy ny fihodinana faharoa, ka ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka no hiatrika izany, tsy nanaiky izany ireo vahoaka marobe, ka nitaky ny fampitahana ny vokapifidianana na “confrontation des resultats”, ny vokatra tsy ofisialy azo tamin’ireo birao fandatsahambato manerana an’i Madagasikara dia nahitana fa lany fihodinana voalohany ny Filoha Ravalomanana. Izay no nahatonga ilay fianianana voalohany natao teny Mahamasina ny 22 Febroary 2002, mpitsara ambony nanao fanamiana no nampanao izany fianianana izany.

Taorian’io dia tsy maintsy nirosoana ny fampitahana ny voka-pifidianana, ka nivoaka nandresy tamin’ny fihodinana voalohany ny Filoha Ravalomanana, nirosoana ny fianianana faharoa ny 06 Mey 2002, ara-dalàna sy ara-panjakana io faharoa io, satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana no nampanao izany, taorian’io dia nahazo ny fankatoavana iraisampirenena ny Filoha Ravalomanana.

Araka ny ambara tetsy aloha dia manana ny lanjany ny 22 Febroary, andron’ny skotisma erantany, satria tsy misy tsy miaiky ny olompirenena afaka mandinika, fa miavaka amin’ny finiavana sy ny fahavitrihany ireo skoto rehefa mandray andraikitra ary ao anatin’ny fanajana ny didin’Andriamanitra sy ny fitiavantanindrazana, no anehoan’ireo skoto izany. Ny 22 Febroary 1946 nijoroan’ny “Mdrm” ara-panjakana indray dia namoha ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana tao ampon’ireo malagasy efa vizaky ny fanjanahantany. Tsy misy ny kisendrasensendra fa mety efa voalahatra, ka ny 22 Febroary 2002 nanaovan’ny Filoha Ravalomanana fianianana voalohany dia azo ambara fa taratry ny andron’ny skotisma sy tandindon’ny fijoron’ny ” Mdrm”, ny fomba nitondrana ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey tamin’ny 2002 no manamarina izany, satria nanjaka teny ankianja ny fifanajana, ny filaminana , ireo mpivarotra manodidina an’Analakely dia tony tanteraka, tsy nisy ny herisetra kanefa na izany aza dia sarotiny tamin’ny fitakiana ny marina ary ny fomba nitondran’ny Filoha Ravalomanana ny firenena dia mbola nahatsapana ny fomba fiasan’ny skoto sy ny fahasahian’ny “Mdrm”, satria ny Filoha Ravalomanana no nampiasa voalohany ny vata mangarahara rehefa fifidianana, nisongadina tamin’ny fitondrana notarihany ihany koa ny fitsinjovana ny mpiarabelona sy ny fanajana ny tontolo iainana, ireo tarehimarika navoakan’ireo avy amin’ny sehatra iraisampirenena dia miteny ho azy, fa nahomby ny fitantanana.

Saingy indrisy fa 7 taona taty aoriana, ka hatramin’izao 20 taona nanaovan’ny Filoha Ravalomanana ny fianianana voalohany izao dia vao mainka tafahitsoka andavaka ny firenena.