Zazah Ramandimbiarison – Tandremo, tandremo, miha-mikoroso fahana ny firenena

Nangonin’Isambilo

Naneho hevitra mahakasika ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana Andriamatoa Zazah Ramandimbiarison, mpahay toekarena, efa Praiministra lefitra teo aloha:
“Ny fomba fitantanana tsy tonga lafatra, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny fijangajangana ataon’ny manampahefana ambony sasany, ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary eto amintsika, ary ny vaovao diso amin’ny ankapobeny, no lohatenin’ny tambazotram-pifandraisana rehetra. Tandremo, tandremo fa miha- mikorosofahana ny firenena.

Ny fitantanana ny fahefana sy ny fampiharana ny demokrasia ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao dia efa miha-ratsy ary mety hampidi-doza mihitsy. Efa mavaivay ny kolikoly avo lenta. Ny zava-niseho tato ho ato mampiseho an’izany. Ny tsaho tsy marina no mitazona ny fiainan’ny Malagasy andavanandro. Vao mainka manamafy ny fialan’ny olom-pirenena amin’ny andraikitry maha olom-pirenena azy, izay toetra saika tsy misy intsony amin’izao fotoana izao.

Ny fomba fitantanana miseho dia mandrisika ny fitondran-tena mitondra ny olona any amin’ny heloka bevava , efa eny anivon’ny fitondrana mihitsy aza. Manaraka ny dian’ny fitondrana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ ny fijerena ny tombontsoan’olon-tsotra vitsy fotsiny; izay nolavin’ny rehetra fatratra tamin’izany fotoana izany. Ny rafitra ara-toekarena dia nanjary nivadika ho maloto ary manome vahana ny mpanankarena sy ny “mpanankarena vaovao, tao anatin’ny roa taona latsaka monja”. Miha-mitombo ny fanilikilihana sy ny tsy fitoviana eo amin’ny mpanankarena vitsy an’isa sy ny vahoaka maro an’isa.

Ny tsy fisian’ny fitsipika mangarahara sy ny fandrindrana tsara ny hetsika ho an’ny tombontsoa iombonana dia vao mainka manasarotra sy manimba ny toe-draharahampirenena. Mbola mitohy ihany koa ireo fomba ratsy eo amin’ ny fampandehanan-draharaham-pirenena, izay fomba fitantanana nitarika ny krizy nolalovan’i Madagasikara tato anatin’ny folo taona farany.

Ny demokrasia ve dia ny fanaovana fifidianana sy ny fametrahana andrim-panjakana ara-dalàna fotsiny? Ny demokrasia ve dia tokony havadika ho jadona ataon’ny olom-bitsy nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana izay noheverina ho “malalaka sy mangarahara” fotsiny? Tsy tokony ho laharam-pamehana koa ve ny fananganana fomba amam-panao sy fihetsika mendrika izay hiadanan’ ny ambany lanitra, izany hoe ny fomba fiainana andavanandro rehetra izay manamora ny fiainam-piarahamonina manontolo ao anatin’ny fitoniana ? Izany no fototry ny demokrasia madio.

Ao anatin’ny fotoan-tsarotra toy izao lalovan’ny firenena izao, no tokony hibanjinana ny ho avin’ny Malagasy rehetra. Ny kolontsaina malagasy dia manome ny vahaolana: mihaino, miresaka ary mifanaja. Ny mpanao gazety dia tokony homena fahafahana hitrandraka ny vaovao eo anivon’ny andrimpanjakana rehetra, sy ny vaovao mahasoa, mba hisorohana ny fandikana diso sy ny tsaho tsy mitombina.

Sa krizy lehibe hafa no tiana hiseho indray?”