Mpandrindra nasiônalin’ny TIM – 10 taona ihany no mampanan-kery ny lisi-pifidianana

Nangonin’Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Jean Claude Rakotonirina. Nambarany tamin’izany, fa ilaina ny fisian’ny fikaonandoham-pirenena hanatsarana ny rafi-pifidianana amin’ny ankapobeny eto amintsika.

Tsy vao izao ny TIM sy ny RMDM hoy izy, no nanao antso avo mahakasika izany, fa efa tany Toamasina ny faran’ny taona 2021 no efa nilazana izany. Niaraha-nahita ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikirakirana sy fikarakarana fifidianana nisy teo aloha, fa tany demokratika ity nosintsika ity, ka nasiana ny fandeferana, mba hiantohana ny filaminana.

Na izany aza, raisina ho fakana lesona ny zava-nisy. Ilaina ny fikaonandoha, mba handinihana mialohan’ny fotoana izay hanatsarana ny rafitra, mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. Tsy fangatahan’ny fanoherana fotsiny izany, fa ny lalàna mihitsy no mametra fa 10 taona ihany no fe-potoana mampanan-kery ny lisi-pifidianana. Ny taona 2012 no nikitihana an’io farany hoy izy, raha izany, tokony ho tamin’ny herintaona aza dia efa natao ny «refonte», na ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana eto Madagasikara.

Hatao koa ny fikaonandoham-pirenena, mba hisian’ny adihevitra malalaka ho an’ny rehetra, mba tsy hisian’ny fanapahan-kevitra «unilaterale» na mandeha ila.