Rivodoza Emnati, nahazo rano – Androy Lasibatra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Ihorombe…

Niaina

Ny fahorian’ny sasany tokoa hifalian’ny hafa, raha ny mahakasika ny fandalovan’ny rivodoza Emnati, satria azo lazaina ho velom-bolo ny tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, tany Androy sy Anôsy satria nahazo rano, nahazo ranon’orana, noho ity rivodoza ity.

Sahirana tanteraka kosa ny faritra hafa, satria lasibatra fanindroan’ny rivodoza indray tamin’ity taona ity. Lasibatr’i Emnati izay indray ny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Ihorombe.

Tratra koa ny faritra Anôsy ary Androy, fa ho an’ireto farany, azo lazaina ho ilain’izy ireo ny fisiana rivodoza, satria raha vao mahazo rotsakorana, sy rano avy amin’izany izy ireo dia afaka mamokatra, ary mety tsy ahiana ny hisian’ny kere amin’ity taom-pamokarana ity.

Tany amin’ireo faritra hafa kosa, azo lazaina ho nandrava i Emnati, nanimba trano, foto-drafitrasa samy hafa, voly isan-karazany, sns… Efa nivoaka an-dranomasina alina ity rivodoza ity, miha-tsy hatahorana intsony ny momba azy raha ny andron’ny anio.