Fanehoan-kevitra amin’ny FB – Tratra ny ramatahora ny tanora TIM iray any Fianarantsoa

Stefa

Tratra ny antsojay sy ny ramatahoran’ny fitondrana ny mpikambana amin’ny Tanora TIM iray any Fianarantsoa dia Lydia Rasoarimalala. Voaantso eny amin’ny mpitandro ny filaminana izy, noho ny fanaovana commentaire, na fanehoan-kevitra tao amin’ny FB (facebook).

Raha ny zavatra nosoratany tao dia hoe: “FANTATRO TSARA IO OLONA RESAHINAO IO”, hoy izy namaly dia avy eo notohizany hoe: “MISY FARANY NY ZAVATRA REHETRA”. Dia izay no anaovana ramatahora azy izao eny amin’ny mpitandro filaminana. Mametra-panontaniana ny maro: tsy azo atao intsony ve izany ny mamaly commentaire ao amin’ny FB fa maha voaantso eny amin’ny mpitandro ny filaminana? Dia tsy azo atao koa ve ny mankahery ireo olona hiharan’ny tsindry azolena?

Noho izay antony izay: ny Tanora Tiako i Madagasikara (TIM) dia manohitra marindrano ny fomba fanampenam-bava atao amin’ireo izay miezaka mijoro. Manohy hatrany ny fitakiana ny fampiharana ny andininy faha-10 amin’ny lalampanorena mikasika ny zo hiteny sy haneho hevitra izy ireo. “ZO FOTOTRA ARAKA NY VOALAZAN’NY LALANA AO AMIN’NY ANDININY FAHA- 10 NY MITENY SY MANEHO HEVITRA, KA ATSAHARO NY FANAPENAM-BAVA”, hoy ihany ny fanambarana.