Vehivavy TIM sy ny Filoha Ravalomanana – Firaisankina hatrany no hampahomby ny antoko

Niaina

Noho ny fahatongavan’ny taona vaovao, na efa hifarana aza ny volana febroary dia tonga niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ny solontenan’ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) Analamanga, omaly 23 febroary.

Tao anatin’izany no nanamafisan’ireo Vehivavy TIM tamin’ny alalan’ny filoha mitarika vonjimaika Rahelisoa Arphine, fa hiasa sy hampiroborobo ny Vehivavy TIM izy ireo, satria ny vehivavy no maro an’isa eto amin’ny firenena. Ny vehivavy ihany koa no tena mahatsapa ny fahasahiranana misy eo amin’ny tokantrano Malagasy ankehitriny.

Nanambara ireo vehivavy TIM fa tokana ny tanjony dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray. Tsy moramora anefa izany fa mitaky asa, ka tsy andrara-kilo mby andoha ireo renim-pianakaviana, fa vonona hatrany araka ny baikon’ny antoko hoe: ilaina ny fijoroana. Hiezaka hitondra rivo-baovao ao anatin’ity antoko najoron’i Dada ity ihany koa izy ireo.

Nisaotra ireo vehivavy TIM ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, raha nandray anjara fitenenana. Miraisa hina hoy izy, fa izay no antoka hampahomby ny antoko. Hiezaka isika satria efa mijaly ny vahoaka Maagasy, hanala azy ireo ao anaty fahantrana lalina ankehitriny.