Mpomba an-dRajoelina – Sady mpiady aman’olona, no mpiady an-trano

Stefa

Sady mpiady an-trano, no mpiady aman’olona ireo mpomba ny filoha Rajoelina amin’izao fotoana. Nalaza tamin’ny gazety, ny haino aman-jery ary ny tambazotran-tserasera sosialy ny herinandro teo ny ady an-trano eo amin’ny samy mpomba an-dRajoelina: ady teo amin’ny depiote Rossy, sy ny ministra Lalatiana mivady. Ny ady eo amin’ny depiote Brunelle, sy ireo depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana. Izao indray dia nanangan’ady taman’olona manao ny asany ny depiote IRD ao Antananarivo Atsimondrano Andry Ratsivahiny.

Nanangan’ady tamina mpampianatra fanatanjahantena, izay mampianatra ny zanany antsoina hoe Bryan. Nanao fanatanjahantena hazakazaka ilay zaza, tsy vitany hatramin’ny farany izany fa nambara fa sempotra izy, nefa hoe mbola nasain’ilay mpampianatra nanohy moramora. Noho izay antony izay, niantso ny rainy, izay depiote ity Bryan ity. Tonga nitratrevatreva tamin’ilay mpampianatra manao ny asany tokoa noho izany ity depiote, ray aman-drenin’ny mpianatra ity. Nanazava anefa ilay mpanabe, fa raha marary ny zanany tokony ho nisy taratasy avy amin’ny dokotera nilaza izany, nefa tsy nisy izay taratasy izay.

Amin’ny ankapobeny, saika nanameloka izao nataon’ity depiote ity avokoa ireo rehetra nahita ny video naparitak’ity olom-boafidy ity tamin’ny facebook. Fanimbazimbana ny asan’ny mpanabe izany hoy ny maro. Dia hoy ny gazety hoe: sady mpiady an-trano ireto mpomba an-dRajoelina ireto no mpiady aman’olona ihany koa!