Boriboritany faha-5 Antananarivo – Hetran-trano natao kitoatoa

Beharo

Nahoraka be tamin’ny faran’ny herinandro teo iny teny amin’ny Boriboritany faha-V, teto Antananarivo Renivohitra, fa hetran-trano tsy ara-dalàna, mihoa-pampana no sendra ireo tompon-trano raha vao naharay ilay taratasy fandoavana hetran-trano ry zareo. Tsy hita intsony ny hoe: ohatrinona mazava ny hetra aloa raha trano vao naorina latsaky ny folo taona sy ipetrahan’ny tompony, tsy fantatra ihany koa sy tsy mazava ny tombana samihafa nanaovana ny kajy, satria toa lasa avo roa heny na telo heny avy hatrany raha atao tombana tsotra.

Tsorina fa na ny solombavambahoaka Naivo Raholdina aza moa tamin’ny faran’ny herinandro teo, dia nilaza fa ireo izay mahatsapa io fisondrotana io araka ny fifanatonana efa nataony tamin’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina, dia nasainy nanao fitarainana eny amin’ny kominina avokoa, mba hahitana ny marina sy ny tokony hatao amin’ity resaka hetran-trano ity. Betsaka ny tsy mety amin’io taratasin-ketra aparitaka io hoy ny rehetra, toy ny hoe : fitambaran’ny ALOHA raha ALOA no izy (total à payer), ao koa ny tsy fisian’ny sora-bola mazava, tsy voafaritra hoy ilay vazaha sendra anay ny hoe: ariary sa Fmg, ka lasa mampivadi-po ihany hoy ny rehetra, satria raha 1hetsy ariary no efa fandoa mahazatra nefa 495200 (??? ) no mivandravandra eo, dia efa KITOATOA daholo no ilazana izany hoy ny antsoantso azon’ny mpanao gazetinay.

Marobe eto am-pamaranana ireo nangataka, fa tokony homena mazava ny fomba fikajiana (mode de calcul) io hetran-trano io, raha misy hofan-trano dia ahoana ny hanaovana io kajy io, ohatrinona ny takiana isan-taona, aiza ho aiza ny velaran’ny trano sy ny rihana amin’izany? moa ve mifanaraka amin’ny haba atovana amin’ny hetran-trano sy ny tombontsoan’ny tompon-trano izany, sns…