Zava-bitan’ny fitondrana Rajoelina – Sady tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka no tsy mitondra fampandrosoana azo tsapain-tànana

Andry Tsiavalona

Mihevitra ny Malagasy ho tsy mahafantatra izay tena mahasoa azy mihitsy izao fitondrana tarihan-dRajoelina Andry izao. Ireo miezaka manohana sy manindrahindra izay zava-bitan’ny fitondrana dia mody tsy mahita na jamba mihitsy, satria izay vita rehetra dia lazaina fa goavana sy mendrika ny vahoaka manerana an’i Madagasikara. Niarahana-nahita ny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra iray, ka niarovany ireo tetikasan’ny filohan’ny Repoblika.

Tsy misy afaka mandà fa tsy ho vita indray andro na iray volana na herintaona ny fampandrosoana, fa rehefa jerena ny zava-bitan’izao fitondrana izao tao anatin’ny telo taona dia sady tsy misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka no tsy mitondra fampandrosoana azo tsapain-tànana ho an’ny Firenena kanefa dia nihazakazahana, fa hoe hitondra fivoarana ny faritra hanaovana izany. Hanaporofoina izany ny Làlampirenena faha-5 A izay efa nametrahan’ny filohan’ny Repoblika « vato fototra » fanindroany, satria efa nametraka « vato fehizoro » tany ny filoham-pirenena teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Mbola mampikaikaika ireo mpitatitra mpampiasa izany làlana izany ny haratsiany, satria mitarazoka tsy mety vita na dia efa roa taona mahery aza no nametraka izany « vato fototra » izany ny filohan’ny Repoblika.

Torak’izany koa ny Làlam-pirenena faha-13 sy faha-10. Rehefa dinihana dia nitondra fampandrosoana sy fampivoarana ny fiainan’ny mponina rehetra eto, tsy maninona ato amin’ny Faritra Analamanga, ve ny nahavitan’ny « colisée » sy ny « kianjan’ny Barea » tao anaty fotoana fohy sady nandaniana vola be? Etsy ankilany koa dia nirehareha ity tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny mponina ity, fa nahavita làlana « pavé » tany amin’ny kaominina na distrika vitsivitsy tany amin’ny Faritra. Nasongadiny manokana ny zava-bita any Sambava any, izay distrika iray ao anatin’ny sivy ambinifolo ambizato manerana ny Nosy. Niaro ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika momba ilay “télépherique” hapetraka eto an-drenivohitra koa ity mpanohana ny fitondrana ity, satria hono, mba ho afaka mitazana ny tanànan’Antananarivo avy eny ambony eny ny olom-pirenena. Ny mahavariana dia fahafinaretan’ny maso ao anatin’ny minitra vitsivitsy izany no hibabena trosa mandritra ny taona maro. Raha resaka fifamoivoizana indray no dinihana dia tsy hampihena ny isan’ny fiarakodia eto an-drenivohitra velively ny fisian’ny teleferika. Tsy hahafahana manamboatra ny làlana efa tena mampikaikaika ny mpitatitra sy ny mpampiasa azy ny fitaterana hisidisidina eny an’habakabaka eny.

Nanamafy ity tomponandraikitra ity fa efa an-dàlana ny fanampiana ny any amin’ny distrikan’Ikongo, ka matoa nisy izany fizarana vary amin’ny kapoakana “madco” sy menaka amin’ny kapsily izany dia satria tsy misy ny làlana, ka tsikelikely ny nahatongavan’ny fanampiana, kanefa hono, tsy mampino izany vaovao miparitaka izany. Efa vary enimpolo taonina, hono, no tonga any Nosy Varika kanefa nisy ny rotaka sy fandrobana ny toerana nitobian’izany noho ny fizarana mitanila nataon’ny manampahefana any. Rehefa nanontaniana ity tomponandraikitra ity momba ny ady anatiny ao amin’ny mpanohana ny fitondrana dia namaly izy, fa ny eo anivon’ny mpanohitra no hiparitaka ato anatin’ny fotoana fohy. Araka izany dia mbola miaina sy mijery “video” foana ireo mpanohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ka asa izay hanjo azy ireo rehefa hitany fa mifanohitra amin’ireny no iainana eto amin’ny Firenena.