EDITO 22 Febroary – Fitondrana Rajoelina – Ny politika sy ny antokony aloha vao ny vahoaka ny azy ireo

Sôh’son

Miharihary mazava ankehitriny, fa ny antoko eo amin’ny fitondrana mihazom-pahefana amin’izao fotoana izao tarihan-dRajoelina, dia mametraka ho ambony ny antokony sy ny tombontsoan’ny antokony aloha, vao ny tombontsoa sy ny fitsinjovana ny vahoaka. Maneho izany ny zava-nitranga eo anivon’ny samy olon’ny antokon’ny fitondrana tamin’ny zavatra nambaran’ny solombavambahoakany raha ny vahoaka any aminy iharam-pahavoazana be sy ireo distrika mitoka-monina aloha no tokony hotsinjovina maika, fa tsy ny fitaterana mihantona an-drenivohitra. Ity fitaovam-pitaterana ity izay tsy mahamaika ny mponin’Antananarivo ity akory, fa mahamaika mafy sy ihazakazahan’ny mpitondra. Mbola adihevitra iray lehibe tsy mitsahatra iny, fa ny tsapa mazava aloha eto dia ny fitondrana amin’izao fotoana izao sy ny antokony dia ny antoko aloha, ny politikany, vao ny vahoaka eo amin’ny fitantanam-pirenena. Mazava loatra, fa fihatsarambelatsihy, mba tsy ilazana hoe famitahana tsotra izao, ny vahoaka malagasy, ny filazana hoe « ny tombontsoa ambonin’ny firenena », no ambaran’izy ireo ombieny fa tsinjoviny. Porofo iray lehibe mitohoka amin’ny tendany io, rehefa takarina tsara ny hevitra ambadika, tamin’ny fihetsik’izy ireo avy amin’ny ady an-tranony ao.

Manampy izany, ny tsy fahaizana hatrany misahana ny fitantanana mazava sy mitovy ny fitsinjarana, rehefa misy fanampiana atao amin’ny vahoaka. Efa aretin’izao fitondrana izao ny tsy fahaizana mitsinjara, sa iniana ikimpiana fotsiny izao ny tsy fahaizana mifehy izany. Efa niseho io tranga io nanomboka tamin’ny taona 2020 no mankaty, ao anatin’ny fanampiana ara-tsosialy ny vahoaka lasibatry ny valanaretina covid-19. Tsy ny rehetra tokony hahazo izany no nisitraka, ary dia nisy ny niala-maina mandraka ankehitriny ao anatin’izany. Tsy mivaky loha amin’ireo ny fitondrana sy ireo tomponanadraikitra rehetra ao anatin’izany. Mbola mitohy ihany izany ary niseho niharihary indray ao anatin’izao fisian’ny loza voajanahary izao, sy ny amin’ireo traboina. Misy tsy voajery sy tsy mahazo fanampiana, ary raha mahazo aza dia kely noho ny an’ny hafa nomena tany amin’ny toeran-kafa. Midika tsotra izao ho tsy fahaiza-mitantana izany, fa misy fiangarana sy zary toa fanaovana zanak’Ikalahafa ve, hoy ny sasany alaim-panahy mahita ny zava-misy?

Ny toe-javamisy rehetra ankehitriny, dia maneho ny amin’ny tsy fifehezan’ny fitondrana mitantana ny firenena. Zary mbola noezahiny notakontakonana ihany izany teo aloha, fa nahariharin’izao fisiana toetrandro ratsy izao sy ny vokany. Efa fantatry ny mpamakafaka sy mpandinika ny raharaham-pirenena no hataony indray izao, dia ny fitadiavana raharaha hanariana dia ny vahoaka tsy hifantoka be amin’izay tsy fahombiazany izay. Ny vahoaka anefa efa mahalala tsara izany ary manomboka tsy azo ambakaina sy fitahina intsony, fa efa be loatra izay nitranga izay.