Mananara Avaratra sy Maroantsetra – Mangataka ny hatao faritra vaovao: Faritra Ambatosoa

Isambilo

Mangataka ny hanaovana azy ireo ho faritra vaovao: Faritra antsoina hoe Ambatosoa, ny any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra sy ny any amin’ ny distrikan’i Maroantsetra, izay ao amin’ny Faritra Analanjirofo amin’izao fotoana araka ny fangatahana ataon’ireo zanak’iny faritra iny ireo. Raha ny distrikan’i Maroantsetra dia misy kaominina miisa 20, kaominina miisa 16 kosa ny ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Arak’izany, hisy kaominina miisa 36 ity Faritra Ambatosoa, izay ho faritra vaovao ity, raha eken’ny fitondrana mahefa.

Tsy misy olana na disadisa amin’ny disitrika hafa mandrafitra ny faritra Analanjirofo hoy ny fanehoan-kevitra, fa mba hahafahana misitraka fampandrosoana no antony, hoy ny fanazavana nataon’ireo zanaky ny faritra. Mahafeno fepetra amin’izany ireo disitrika roa ireo raha mitambatra, raha ny harena koa manana ny maha izy azy i Mananara Avaratra sy i Maroantsetra, misy ireo vokatra fanondrana samy hafa: ny jirofo, ny lavanila, ny kafe, ny dipoavatra… Ny voka-bary koa, tsy latsa-danja amin’ny faritra hafa ny vokatra any. Ary amin’ny maha faritra antsoina hoe: Ambatosoa azy izay, maro ireo harena an-kibon’ny tany toy ny vatosoa any an-toerana.