Beroboka faritra Menabe – Manomboka mirongatra ny andiam-balala

Stefa

Manomboka mirongatra amin’izao fotoana ny andiam-balala any atsimon’ny faritra Menabe, ny marimarina kokoa any amin’ny kaominina Beroboka distrikan’i Morondava. Manomboka manimba ireo voly izay sendra azy izany andiam-balala any an-toerana izany, araka ny vaovao voaray. Mbola tsy misy ny fanafody hamonoana izany valala izany aloha hatreto. Velon-taraina amin’ny fahapotehan’ny famokarana nataony arak’izany ny mponina any amin’iny faritra Menabe iny.