AOTRA ROA NY VOKATRA

Fa lany “atidoha” ve ny fitondrana
Sa inona marina no mitranga,
No ela dia ela ny fanovana
Sy ny fanentsenana iretsy banga?

Moa ingahy filoha tsy matoky ny olony
Sa be ny safidy ka mahavàka,
No toa iretsy lasa, tsy misy solony,
Fa ny eo ihany no misabaka?

Ry veta sy ny patsa fotsiny aza
Dia mbola mitoetra eo avara-patana,
Kanefa dia tena efa ratsy laza
Sy mpamboly ady efa hita vatana!

Be no efa tena leo azy ireo,
Ireo mba mpiara-mikatroka tany aloha,
Ka dia efa mivory, mampiaka-peo
Mba ho tonga any an-tsofin’ingahy filoha!

…Ary moa tsy efa tapitra raha isaina
Ireo volana enina nitsapana?
Ny vokatra anefa raha toa tsaraina
Dia tena “aotra roa” ary igagana!

Ka na mbola ho avy ny fanovana
Sy ny fikasana ny hanavao,
Dia ambara fa lo ito fitondrana
Ary “tsy tafa” intsony raha mbola izao!

TSIMIMALO (21-02-22)