EDITO 19 Febroary – Lisi-pifidianana – Vao manomboka miasa ny CENI dia efa tsy milamina

Sôs’son

Mitorajofo ny tontolo politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Miseho lany ny tranga samihafa mivaralila eo anivon’ny fitondrana sy ny fitantanana ny firenena, manohy mizotra amin’ny lalana kitoantoana sy ratsy. Ireo mirehareha ho mpamilin’ny firenena dia mikisary irony zatovo mpamily manao solomaso mainty matevina sy nandrairay ny tsy tokony horaisina, ka tsy mahatsapa fa tandindonin-doza tanteraka ny fiara hoentiny sy ny mpandeha ao anatiny. Mampanahy ny olom-pirenena maro manam-panahy amin’izao fotoana izao ny hoavin’ity firenena ity manoloana ny zava-misy.

Manomboka miseho ankehitriny ny « aretina » mikiky sy hampandamaka ny firenena, ka halemy tsy ho afaka hanohitra ny manjo azy. Toa misy anefa antokon’olom-bitsy maniry ny hizorana amin’izany mihitsy, satria izay no fomba iarovany ny tombontsoany manokana. Miseho eny ifotony ny raharaha, dia ny eny anivon’ny fokontany maro samihafa manerana Nosy izany. Ny manodidina ny fifidianana ny tiana hambara amin’izany. Niteraka fimenomenomana ny olom-pirenena maro ny amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontaniny izay tsy hita nisy fanavaozana. Ny fe-potoana nofaritana amin’izany anefa nifarana. Avy dia nitodika any amin’ny Ceni ny mason’ny maro, izay mazava loatra fa io no tomponandraikitra voalohany amin’izany. Vao manomboka miasa ve dia efa tsy milamina ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2023. Raha vao miandoha na mitsidika ity ny fisantarana ny fidirana amin’izany rivo-pifidianana izany, dia izao sahady no mitranga.

Efa azo tarafina na vinavinaina miainga amin’izany ny hiseho manaraka rehetra, ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena. Ho an’ny olom-pirenena manam-panahy sarotiny amin’ity firenena ity, tsy ho simba sy potika mikorosy fahana dia tsy manaiky izany zotra izany ary mila mandray fanapahana-kevitra maika. Ny fiandrasana fotsiny izay hitranga amin’ny hoavy dia tena toe-tsaina manaiky izay loza hanjo ny firenena.

Hananan-tsiny be amin’ireo raiamandreny teo aloha nahavita nandraraka ny ràny sy namoy ny ainy ho amin’ny fahafahana sy ny fahaleovantenan’ity firenena ity izany. Ireo taranaka any aoriana ihany koa dia hitsara sy hanameloka mafy ny olom-pirenena ankehitriny amin’izany. Ka raha tsy te ho tonga amin’izany dia mila mamita ny adidiny masina amin’ny firenena ny mahatsiaro tomponandraikitra rehetra. Mila fanafody sy sitranina haingana ny firenena. Tsy tokony ho voafitak’ireo miseho hitondra fanafody sandoka anefa, fa vao mainka hihombo ny aretiny. Efa sendra an’izany mantsy ny “marary”. Fanafody ara-dalàna azo tamim-pahamarinana no ilaina sy zava-dehibe ho antoka hahasoa ny firenena na ankehitriny na amin’ny hoavy.