FANJAKANA MIADY AN-TRANO

Efa tena miady an-trano iretsy donto mianakavy.
Atahorana hifamorika ary koa hifamosavy.
Tsisy miafina intsony f’efa re ety ivelany,
Na ny ady ifanaovany na izay lazain`ny lelany!

Efa tena miady an-trano iretsy donto mianakavy.
Very hasina tanteraka na ny lahy na ny vavy!
Tsisy intsony ilay mba toetra maha voafidy na voatendry.
(Raha fintinina dia tsotra, tena adala fa tsy hendry!)

Mba mitoetra ery ambony saingy tsy mba faka tahaka.
Toa tsy takany ilay hoe “ny tokantrano anie tsy ahahaka”!
Fa dia tena mifandramatra ary koa mifampihantsy.
(Toy ny akoho mifampitsaingoka sady mifamely fantsy!)

Izany ve no “atidoha” voalaza fa hoe notsongaina?
Nefa dia karazan’olona tena tsy mahay miaina !
Tsisy zavatra milamina, tsisy zavatra mirindra.
Dia mba aiza ilay “fitiavana” , ilay hoe “lehibe indrindra”?

Ontsa anao ny firenena ry mpitarika malaza,
Miaraka amin’ireo ekipa tena mifanahin-jaza!
’Ndeha miverina mba mianatra izany atao hoe fitantanana,
Dia meteza mba ho olon’ny fanahy sy fihavanana !

DADAN’i ZINA (16-02-22)