Toetrandro – Nandrava tany Sainte-Marie ny rivodoza Dumako

Niaina

Niditra tany amin’ny faritra Analanjirofo afak’omaly: tany Sainte-Marie, sy tany Soanieran’Ivongo ilay rivodoza Dumako ary nivoaka tany amin’ny Lakandranon’i Mozambika tany amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara omaly.

Nandrava tany amin’ny Nosy Sainte-Marie ity rivodoza ity, indrindra ny tany amin’ny tapany avaratr’ity antsoina ihany koa hoe: Nosy Boraha. Araka ny vaovao voaray: trano 60 tafo mahery no rava vokatry ny rivodoza DUMAKO, Fokontany maromaro no dibodrano tany Sainte-Marie. Tsy misy ny aina nafoy, fa simba kosa ny volin’ireo tantsaha, efa miverina amin’ny fiainana andavanandro ny Mponina. Ankoatra ny tranon’olon-tsotra, anisan’ny nahitana fahasimbana tany an-toerana ny trano fiangonana.

Nahitana fahasimbana vokatry ny rivodoza Dumako izay ihany koa ny tany Soanierana Ivongo, izay eo ampitan’i Sainte-Marie eo ihany, nahery ihany koa ny rivotra tany amin’ity distrika ity.