Depiote Rastany avy amin’ny antoko TIM – Nanadio sy nanavao lakandro 350 m etsy Ambohipo

Franck Razakambelo

Nodiovina tanteraka ny lakandrano mirefy 350 metatra etsy amin’ny lalana Fokontany Ambatoroka, hihazo an’i Ambohipo ao amin’ny Boriboritany faha-2 eto Antananarivo, nanomboka ny alatsinainy teo ary nasiam-panavaozana koa ny lakandrano mirefy 100 m manaraka ny lalan-kely ho any amin’ny Kolejy “Espoir”. Nilaza ny Solombavambahoaka voafidy tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Randrianarisoa Stanislas na depiote Rastany, fa tsy teti-bola avy amin’ny CLD akory no nanamboarana ny lalan-kely, fa vola avy amin’ny karamany madiodio, ho fisorohana ny fiakaran’ny rano eny amin’iny faritra iny, no sady mampijaly an’ireo mpampiasa ny lalana. Nanohy fanazavana ity olom-boafidin’ny TIM ity, fa tsy maintsy nandray andraikitra ity farany rehefa tsy voavahan’ny tompon’andraiki-panjakana ny olan’ny fotodrafitr’asa eto Antananarivo ary tokony hanao fanadihadiana lalina ireo orinasa nahazo an’ireny tsenambaro-panjakana mikasika ny fanamboaran-dalana ireny, fa tsy tomombana ny fametrahan’izy ireo ny lakandrano.

Nanamafy ny Solombavambahoaka Rastany, fa maika te hahazo tsenambaro-panjakana fotsiny ireo orinasa mpanamboatra lalana kanefa tsy mahafehy an’ilay asa akory ary ny mampalahelo hoy ity olom-boafidy ity dia tsy misy akory ny fanarahamaso ataon’ny tompon’andraiki-panjakana an’ireo fotodrafitr’asa vita ireo. Tsy misy fanadiovana na fikojakojana na koa fanavaozana ny lakandrano akory. Ny vahoaka madinika foana no mitondra faisana rehefa mirotsaka maharitra ny ranon’orana amin’izao andro fahavatra izao ary tokony handray ny andraikiny amin’izay ny mpanapa-kevitra ho fisorohana ny olana tahaka izao, mba tsy hiverimberina intsony.