Ravalo sy ireo mpiara-dia aminy tany Mananjary – Nizara sakafo ho an’ireo traboina sy nanadio tanàna koa

Isambilo

Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy tany Mananjary ary tsy fotoana fohy no nijanonan’izy ireo tany fa andro maromaro, tena nijery akaiky sy nanampy ireo traboina ifotony tany amin’ny renivohitr’i Vatovavy izy ireo.

Tao Tsiatosika, fokontany miala 16km an’i Mananjary no nitondrana fanampiana ara-tsakafo koa. Simba avokoa ny fambolena rehetra, ka mankahery ireo tantsaha mandalo fotoan- tsarotra ankehitriny ny filoha Marc Ravalomanana. Nanadio tanàna koa ireo mpiara-dia amin’i Dada satria be ny loto navelan’ny rivodoza Batsirai tany amin’ny renivohitry ny Antambahoaka.

Ny kianja filalaovam-baolin’ ny tanora Bella Beach tao Mananjaryy no anisan’ny nodiovina, niarahan’ ny fokonolona sy ny mpikambana eo anivon’ ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), notarihan’ny sekretera jeneraly nasionalin’ny antoko Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina. Nisy ihany koa ny fanalana ireo hazo tapaka nianjera tamin’ny lalana.