RMDM – Filoha lefitra Edouard Tsarahame – Raha sarotra ny fandravana ny governemanta dia ireto misy entina mandrava azy

Ny Valosoa

QG Belera, 17.02.2022 – Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny QG Belera ireo tomponandraikitra ao amin’ny RMDM androany. Manoloana ny gaboraraka asehon’ny governemanta ankehitriny eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena dia sady maneho hevitra no mandray anjara no mamaha ny olana ho an’ny tanindrazana hatrany ny RMDM, hoy ny nambaran’ny filoha lefitra Edouard Tsarahame. Nampita hafatra mavesatra ny tenany ho an’ireo solombavambahoaka sy mpitandro filaminana eo anatrehan’ny fivarinan’ny firenena an-kady.

Manoloana ny raharaha politika sy ara-tsosialy iainan’ny firenena, dia manolotra sosonkevitra am-pitiavana sy am-panetrehantena ny RMDM, hoy izy, mba handravana faran’izay haingana ny governemanta, satria sady tsy mamaly ny hetahetan’ny vahoaka malagasy no manala baraka ny firenena malagasy.

Raha sarotra hoy izy ny fandravana ny governemanta dia ireto misy lafiny maromaro atolotra entina mandrava azy:
– ny voalohany dia manana solombavambahoaka izay nomen’ny lalàna hametraka ny fitsipaham-pahatokisana ny governemanta; tokony atao faran’izay malaky izany raha tsy hoe miray tsikombakomba amin’ny governemanta koa ny solombavambahoaka ankehitriny
– ny faharoa, dia manana mpitandro filaminana isika, “andry farany fiarovana ny firenena” na “dernier rempart de l’Etat”, raha mbola misy izany teny hoe “tsy miamboho adidy aho mon général” dia mitsangana ianareo hanarina ity firenena ity, hoy ihany izy.

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena. Miantso ny rehetra ny RMDM mba hanaovana fikaonandoha mialoha ny fifidianana hanarenana ny firenena. Tsy mahay mitantana ny mpitantana ary tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka. Hoerahoera fotsiny no ataony amin’izao fotoana izao fa tsy mahavaha olana.