ANY IANAO RAVAVANY

Te halaza indray Ravavany ka jereo ny fiedinediny,
Miaraka amin’ny piti-drorany ary koa ny fiborediny.
Raha vao misy ny “ady tany”, io ilaiàka toa tsy tana,
Fa tsabahany daholo hatramin’ny seha-pitsarana!

Te halaza indray Ravavany ka dradrainy, tanisainy
Fa hoe misy antokon’olona tena te hifofo ny ainy.
Izany sisa no hany paikany rehefa injay milentika izy.
Manao zava-tsy voasaina toy ny kilalaon’ankizy!

Te halaza indray Ravavany ka dia sahy manasoketa.
(Io aloha efa talenta iraisan’izy sy ry Veta!)
Tsisy akory ny porofo nefa sahy manendrikendrika,
Ary dia manenjika olona amin’ny fomba tsy dia mendrika!

…O ry Ingahy tapak’amponga, mba meteza hanadihady,
F’aza faly ny mirehaka ho “mpiangaly haiady”.
Anao ny vava saingy fero irony teny izay havoaka,
Raha mitombina f’ianao dia solombavanay vahoaka.

DADAN’i RIANA (18-02-22)