Rado Ramparaoelina – Tsy mitombina ny fanasoketana ataon’’i Naivo Raholdina

Franck Razakambelo

Fanasoketana sy fanaratsiana an’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano, ny filazan’ny depiote Naivo Raholdina, fa anisan’ireo olona miisa 7 izay miray tetika hamono azy ny Ben’ny tanàna ary tsy mitombina ny filazana fa nandray anjara tamin’ny fivoriana ahafahana manatanteraka an’izany famonoana izany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, hoy Rado Ramparaoelina.

Nanohy fanazavana Rado Ramparaoelina, fa azon’ny olona atao ny manangana vavolombelona mandainga entina hiampangana hamono olona ary tsy nambaran’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina mazava ny toerana sy fotoana nifamorian’izy ireo na ny tetika nataon’ireto farany entina namonoana ny Solombavambahoaka, raha sanatria ka nisy izany. Nanohy fanazavana ity mpitantana tanàna ity, fa tsy misy asa ifandraisan’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina sy ny Kaominina Ampitatafika mihitsy aloha hatramin’izao ary mbola tsy nisy fandraharahana niarahan’ny roa tonta natao hatreto.

Nanazava izy, fa tian’ny Solombavambahoaka hamarinina amin’ny vahoaka fa olon-dratsy ny Ben’ny tanànan’ Ampitatafika satria nanao fampitandremana amin’ny haino aman-jery ity farany fa nanao sonia an’ilay “Acte de vente” mikasika an’ilay tany mirefy 250 metatra tora-droa tetsy Fenoarivo ny Ben’ny tanàna ary mbola tsy hita hatreto ilay antotan-taratasy momba an’izany “Acte de vente” izany. Nanamafy ity Ben’ny tanàna ity, fa rehefa tsy nitondra ny porofo mikasika ny fisian’io “Acte de vente” nosoniavin’ny Ben’ny tanànan’ Ampitatafika io ny Solombavambahoaka Raholdina dia nampidirin’ity farany ao anatin’ny tetika famonoana olona indray koa.

Misokatra ho an’ny olona rehetra ny Kaomina Ampitatafika ary tokony mba hifampiresaka amin’ny Ben’ny tanàna ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina raha toa ka nanana fahendrena ity farany, satria sary mihetsika entina hanosihosena ny Ben’ny tanàna ny zavatra ataon’ity olom-boafidy ity. Manoloana ny zavatra tahaka izao dia miezaka mamboly fihavanana mba tsy hanetsika ady amin’ny olona ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, satria mbola eo amin’ny fitondrana ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina ary mieritreritra fa voabaikony avokoa izao rafi-panjakana rehetra izao. Namarana ny fanehoan-keviny izy, fa tsy manana olana amin’ireo mpifanandrina momban’ny adi-tany etsy Fenoarivo ity farany rehefa misy disadisa ary mandala ny fifampiresahana ho an’ny roa tonta amin’ny maha Ray aman-drenin’ny tanàna azy.