Fitondrana Rajoelina – Toa mahazo laka tsy voahonzongozona ny “borizano” sasany

Andry Tsiavalona

Fitantanana ny Firenena ataon’ny fitondrana Rajoelina, samy mikatsaka ny « ma part » ireo eo amin’ny fitondrana. Misy anefa ny toa fanavakavahana ao anatin’izany fitondrana izany, satria mahazo laka sy toa tsy voahozongozona ny borizano na ny Ambaniandro sasany, ny borizano na ny Ambaniandro dia ilazana ny mponina amin’ny Faritanin’Antananarivo teo aloha.

Ireo avy amin’ny toerana ivelan’Antananarivo raha nanao hadisoana teo amin’izany fitantanana izany dia voadaka avy hatrany: toy izany ny ministra Volahaingo Marie Thérèse teo amin’ny resaka solom-bodiakoho, ny ministra Andriamanana Rijasoa tamin’ny resaka bonbon sucette, ny ministra Ahmad Ahmad teo amin’ny resaka fitantanana ny valanaretina coronavirus nandray andraikitra avy hatrany amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny fahasalamana, nefa tsy zakan-dRajoelina sy ny forongony izany. Ny ministra Brice Randrianasolo, vao voatendry andro vitsy monja dia nesorina noho ny fanaratsiana samihafa nihàtra taminy ary ny farany teo ny ministra Imbiky Herilaza voalaza fa voasaringotra amin’ny resaka kolikoly, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.

Ny Ambaniandro sasany ao amin’ny fitondrana anefa, miandahy miambavy mihitsy izany, na efa hita izao ny fitondran-tenany, sy ny fanakorontanana anatiny ataony ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy dia tsy voahozongozona aloha hatreto. Ny hafa indray, hita fa tsy mahafehy mihitsy ny delestazin’ny jiro sy ny olan’ny rano, fa dia toy ny misy lakaoly koa aloha hatreto ny sezany. Nisy ny ministra voasaringotra tamin’ny resaka ecran plat, tsy voakitikitika hatramin’izao na efa nesorina aza, raha tsy hilaza afa-tsy ireo.

Fitiavantena

Ankoatr’izany, mibaribary tsy takona hafenina intsony ny fitiavantenan’ny mpitantana ity Firenena ity! Tsy vao amin’izao Repoblika faha-4 andiany faharoa izao ihany, fa efa hatramin’ny tetezamita izay izy ireo ihany ny ankamaroany no mibahan-toerana ankehitriny. Ny maha samy hafa ny firafitry ny andrim-panjakana tamin’ireto fitondrana ireto dia fiaraha-mitantanana no tsy maintsy napetraka araka ny “Tondro Zotra”, lalàna fototra solon’ny Lalàmpanorenana, novolavolain’ny Vondrona Iraisam-pirenena, no tsy maintsy nampiharina. Ankolafy roa lehibe, ny Ankolafy Ravalomanana sy ny Ankolafy Rajoelina, no nangalàna ireo mpikambana tany amin’ireo andrim-panjakana nijoro. Na izany na tsy izany dia azo lazaina fa nanana ny maro an’isa ny ekipan-dRajoelina Andry tao amin’ny Governemanta sy ny Mpanolotsaina Avon’ny Tetezamita (CST) ary ny Mpanolotsainan’ny Tetezamita (CT). Niitatra dimy taona ny tetezamita ary indroa nisolo ny Praiminisitra ary na dia tsy nisy nibolisatra loatra ireo mpikambana tao amin’ny mpanatanteraka dia nisy hatrany ireo nesorina sy nosoloina nandritra ny dimy taona.

Telo taona mahery kely no tonga teo amin’ny familiana ny lamasinina haingam-pandeha Rajoelina Andry ary telo taona sy tapany no naha-praiminisitra an’i Ntsay Christian. Maro an’isa ny mpiandany amin-dRajoelina Andry amin’izao fotoana izao na eny amin’ny Antenimerampirenena, na ao amin’ny Antenimieran-doholona, na etsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana. Ny manaitra ny saina anefa ary efa nampahatsiahivina teto ireo fahafaham-baraka nifandimby tao anatin’ny telo taona ary teo anivon’ny mpanatanteraka avokoa no nitrangan’izany.

Tamin’ny nidiran’ny valanaretina covid-19 sy nanaovana dokambarotra sy fampisotroana ny CVO ny vahoaka Malagasy dia nipoaka ny raharaha valo miliara ariary nividianana vato mamy tsetsafina (bonbons sucettes) nokasaina nozaraina tamin’ny mpianatra rehefa avy misotro ity tambavy majika ity. Teo ankilany koa ny raharaha “écrans plats”. Nesorina fotsiny ny iray voalohany ary efa an-taonany vao nosoloina ny faharoa fa tsy nisy nametra-pialàna. Tsy nisy nandalo fitsarana ireo mpikambana tao amin’ny governemanta ireo ary mbola maizina na efa lasa rano avokoa ve ny vola nividianana ireo zavatra ireo?

Tsy nahafehy ary tsy mahafehy

Efa tsapa tamin’izany fa tsy nahafehy ary tsy mahafehy ireo mpikambana tao amin’ny governemanta na ny filohan’ny Repoblika na ny lehiben’ny governemanta. Tamin’ny taona lasa iny ary tamin’izao fiandohan’ny taona izao dia nisy ireo tranga hitam-poko, hitam-pirenena sy “dossiers” nivoaka tany amin’ny tambazotran-tserasera, mahakasika mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny zava-doza ho an’ny Firenena momba azy ireo dia ny fahafaham-baraka naterany, tsy ho an’ny filohan’ny Repoblika, na ho an’ny lehiben’ny governemanta ihany, fa ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Raha manana ilay lazaina ho “honnêteté intellectuelle” ireo rehetra voakasik’ireny raharaha ireny dia mametra-pialàna mba hoarahin’ireo maro tsy mbola namoahan’ny mpiserasera “dossiers”. Ny zava-doza ihany koa dia ireo tomponandraikitra voalohany eto amin’ny Firenena dia sady tsy sahy mamaky bantsilana ho fantatry ny vahoaka ny marina miseho no tsy sahy mametra-pialàna ihany koa toy ny ataon’ny minisitra na praiminisitra any amin’ny firenena any ivelany any rehefa misy hetsika ataony manohintohina ny fiandrianam-pireneny na ny hasin’ny tanindrazany.

Ny eto amin’ity Firenena ity dia misy minisitra tsy sahin’ny lehiben’ny governemanta na ny filohan’ny Repoblika esorina sady tsy mametra-pialàna fa miriaria sy mbola manjakazaka ihany. Ao koa ireo mpikambana ao amin’izao governemata izao izay tsy hita mihitsy izay asa vitany ary ao koa ireo tsy mahay na tsy mahafantatra na inona na inona momba ny departemanta nametrahana azy kanefa dia sady tsy sahy esorina no tsy mametra-pialàna.

Vao voatendry ny minisitry ny Fitsarana mpisolo toerana dia efa misy mamoaka “dossier” momba azy sahady, ka miandry izay ho tohin’izany ny mpanara-baovao rehetra. Midika izany fa sady mpiray tsikombakomba no miara-migoka ny mamy ny olom-boafidy sy olom-boatendry rehetra ka samy miaro ny toerana natolotra azy daholo.