EDITO 17 Febroary – Raharaham-pirenena – Tsy takona afenina intsony ny ady an-trano ao amin’ny fitondrana

Helisoa

Telo taona mahery no nitondra ny tany sy ny fanjakàna i Andry Rajoelina. Ny hita sy tsapan’ny mpanara-baovao dia tsy niomana hitondra firenena ity farany, fa ny resaka habobo no nambaboana ny sain’ny Malagasy tamin’ny propagandy. Ravàna ny Antenimierandoholona fa hanaovana Oniverisite hianaran’ireo tanora maro be, omena tany 10ha ny tanora; hanamboarana trano mora, lalana sns… Nipoapoaka ny IEM fa ho paradisa i Madagasikara. Nony tonga teo amin’ny fitondràna anefa ny fitondràna Tgv haingam-pandeha dia lasa fitondrana famindran-tsokatra.

Sahirana i Andry Rajoelina na nitady ireo olona handrafitra ny governemanta aza. Tsy manana olona, ka hany izay tendrena eo dia ahitàna fanakianana avokoa avy amin’ny maro an’isa ny amin’izany. Eo amin’izay no mipoitra ny nafenina. Governemanta miady an-trano no misy, hita mibaribary izany. Solombavambahoaka mitabataba ny hanesorana ny minisitra lazainy fa tsy maharaka ny dian’ny filoha no hita. Ny sasany indray minia mikimpy manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka dia manambara fa tena mahavita be Rajoelina, ka ho lany ho filoha indray amin’ny 2023. Ny depiote sasany moa dia sahy manambara mihintsy, tsy mitsitsy fitenenana na mpiaradia amin’ny fitondràna aza, milaza ny tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy takon’afenina intsony ny ady an-trano fa efa miseho imasom-bahoaka.

Ao anatin’ny soratra masina dia manambara mazava fa ho rava ny fanjakàna miady an-trano. Izay ilay hoe tsy misy firaisan-kina fa ny famenoana paosy aloha no mahamaika satria efa mahatsapa mantsy fa efa ho masaka ilay manga araka ny fitenin’ilay depiote iray izay, ka hihintsana ho azy.