MBOLA RESIN’i KOMORO ?

Fa tena nivadika ve ny gilaoby
R’ilay boaikely miseho azy ho “baoby”,
No dia efa hihoaran’i Komoro isika,
Ary anisan’ny rambony aty Afrika?

Raha baolina kitra dia efa “tsy tafa”,
Fa zary efa toa hihomehezan’ny hafa.
Ny kianja no tsara sy maro mpaniry,
Ny vokatra anefa tsy mankaiza firy.

‘Lay hoe barea, lasa anarany sisa,
Fa lany ao ny volabe an-tapitrisa,
Kanefa tsy hita izay hoe fahombiazany
Fa toa mietry isan’andro ny lazany.

Raha ny mikasika ny toekarena
Dia toa mampisento sy mampahonena,
F’ity ilay Komoro nambanimbaniana
No indro manolotra ireo fanampiana.

…Raha toa ka adika ny hevitr’izany
Dia nihemotra ianao ilay niseho nanambany,
Ka mieritrereta, makà saina tsara.
Ny miala no mety ary mbola tsy tara!

IRINA HO TAFITA (16-02-22)