Traboinan’ny rivodoza Batsirai – Hanome fanampiana ho an’i Madagasikara i Kaomôro

Niaina

Mitohy tonga ihany ny fanampiana vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai teto amintsika. Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny malala-tanana samihafa eto an-toerana, mitondra ny anjara birikiny koa amin’izao fotoana ny Havana aman-tsakaiza avy any dilambato, toy ireo fikambanana iraisam-pirenena, ny firenena avy any ivelany. Efa nitondra izay voatsirambin’ny tanany ho an’ny traboina i Japon, i Frantsa,…

Fantatra koa izao fa hitondra fanampiana ho antsika Malagasy ny Nosy Kaomôro araka ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety mpiseho isan’andro any amin’ity firenena ity dia ny gazety Al-Watwan, gazety anisan’ny lehibe indrindra ao amin’ity Nosy rahavavy ity. Vola mitentina eo amin’ny 600 tapitrisa Ar eo no hanampian’ny fitondrana atsy Moroni an’i Madagasikara amin’izany.

Tsy araka ny vava navoakan’ny filoha Rajoelina arak’izany no misy nakehitriny hoe: hanampy an’i Comores i Madagasikara, fa ny mifamadika amin’izay no mitranga ankehitriny, hanampy an’i Madagasikara ny kaomôriana,…