Fiainan’antoko – Velona sy mandray andraikitra ny Jeune TIM Toamasina

Stefa

Nanatanteraka fihaonana ny tanoran’ny antoko Tiako i Madagasikara, na ny Jeune TIM any Toamasina faritra Atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Fotoana izay nifanomezan’izy ireo vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, nifampiarahaban’izy ireo ihany koa tratry ny Asaramanitry ny taona vaovao 2022, ny fanetsehana na ny fameloma-maso indray ny antoko, indrindra ny ao anivon’ny tanora araka ny toromariky ny filoha mpanorina Marc Ravalomanana. Nisongadina nandritra izany, fa velona sy mandray ny andraikitra tandrify azy, ho fampiroborobona ny antoko hatrany ny Jeune TIM Toamasina. Manana taninketsa ho mpandimby ihany koa ny ao amin’ity antoko ity atsy ho atsy.