Foibe Fikarohana momba ny Fambolena (FOFIFA) – Nahita karazam-bary mahazaka ny fiovaovan’ny toetrandro

Aly

Nahita karazam-bary mahazaka ny fiovaovan’ny toetran-dro ny FOFIFA, na ny Foibe Fikarohana momba ny Fambolena eto amintsika. “Nody ventiny ny rano nantsakaina” hoy ny Tale jeneralin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ ny Fampandrosoana ny ambanivohitra (FOFIFA), Pr Razafinjara Aimé Lala.

Rehefa nanao fikarohana nandritry ny taona maro dia nahita karazam-bary mahazaka ny fiovaovan’ny toetrandro, no fohy ny tsingerim-paniriny (cycle court) nefa maha-vokatra, toy ny «Sebota» ity toeram-pikarohana ity. Nahitana vokatra koa ny fitadiavana karazana vary mahatohitra ny toe-tany ratsy, sy misy fanapoizinana ataon’ny « fer » na vy sy ny « aluminium », toy ny fahita amin’ny faritra afovoan-tany sasany. Anisan’izany ny Fofifa 160, X265, X148.

Mitohy hatrany, hoy izy, ny fikarohana na dia sarotra sy maharitra 9 taona aza vao tena mahatafavoaka fikarohana masomboly iray tsy miovaova.