GTT-RMDM Diaspora La Réunion – Traboina miisa 200 no nomeny fanampiana tany Moramanga

Isambilo

Anisan’ireo distrika nitondra faisana noho ny rivodoza sy ny andro ratsy nandalo farany teto amintsika dia ny rivodoza Ana sy Batsirai, ny distrikan’i Moramanga any faritra Alaotra Mangoro. Noho izay antony izay, misy ihany koa ireo traboina any an-toerana. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny alahady teo ny GTT-RMDM Diaspora La Réunion, na ireo Malagasy monina atsy amin’ny Nosy La Réunion avy amin’ny GTT (Gasy Tia Tanindrazana), sy ny avy amin’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) any amin’ity Nosy rahavavy ity. Fianakaviana miisa 200 no notolorana fanampiana tamin’izany: nahazo vary, siramamy ary savony. Nanolotra izany tamin’ny anaran’izy ireo, ny solontenan’ny GTT-RMDM Diaspora La Réunion eto amintsika Martial Tovonirina, sy Arphine Rahelisoa. Nandamina sy nitily ireo traboina kosa ny DisTIM Moramanga tarihan’i Dr Andry. Voalaza tamin’izany, fa mbola hitohy amin’ny faritra hafa izao hetsika ara-tsosialy hataon’ny GTT-RMDM Diaspora La Réunion izao, manana adidy izy ireo amin’ny fanampiana ny Malagasy mpiray tanindrazana mila fanampiana, amin’izao fahasahiranana lalina mahazo ny firenena sy ny mponina ao aminy izao.