Antoko AREMA – Miaro ny tontolo iainana, nahavoly zanakazo miisa 3000

Stefa

Tontosa ny sabotsy teo tany amin’ny tanin’ny antoko AREMA, tao amin’ny kaominina Tsiafahy distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny fambolen-kazo nataon’ity antokon’ny Amiraly Ratsiraka ity. Mpikambana manodidina ny 500 no tonga nanefa ny adidiny hoan’ny firenena izay, izay nahitana ny avy amin’ny mpikamban’ny Comite directeur ny Antoko ary notarihan’ny sekretera nasionaly Ramatoa Annick Ratsiraka, nahitana ireo mpikambana avy any amin’ny faritra . Nanotrona ihany koa ireo tanora Arema avy any amin’ny faritany 6. Zana-kazo miisa 3000 teo no novolena nandritra ny fotoana, hoy ny mpitarika. Azo lazaina ho anjara adidy amin’ny fanavotana ny firenena manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana ny fambolen-kazo, hoy ny sekretera nasionalin’ny Arema. Nandritra izany ihany koa no nanaovan’ny sekretera nasionalin’ny antoko fanentanana ireo mpikambana, mba hanaramaso ny lisi-pifidianana ary hanamarina ny anarany ao. Nanamarika ny tenany fa handray anjara feno amin’ireo fifidianana ho avy any antoko. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanararaotan’ireo avy amin’ny Akanin’ny Aremana nanaovana fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitampihavanana ity fambolenkazo ity.