FITONDRANA EFA LO

Toa tsy azo nafenina intsony ny feo
F’efa traingo ny afera malotonareo,
Ka dia inona indray izany izao reo no paika,
Sa mody mifitsaka sy tsy miraika?

Ny hita mivaingana sady efa tsapa,
Dia maro ianareo no efa maimbo ao an-dapa,
No sady voakiana sy voatondro molotra
Ho tena mpanao risoriso sy tsolotra.

Hany ka maro amin’iretsy vahoaka
No miandry dia miandry izay zavatra hipoaka,
Ka asa izy ity na dia tena hirefotra,
Na hotakonana indray dia hitsefotra!

Ankoatran’izany dia manampy trotraka
Ireo ady hafa izay tena mangotraka,
Izay ifanaovan’ireo “samy andry”
Ka tena efa zary tsy mahatafandry!

Raha io no hipoaka dia vao mainka loza
Ny zavatra hanjo anareo samy foza,
K’aleo mihatakataka sy tsy miroboka
Sao idabohanareo “andry boboka”!

TSIMIMALO (14-02-22)