Collectif de Citoyens Franco-Malgache – Fampiasam-bola tsy mazava nataon’ny CENI, hanadihady ny Eoropeana

Nangonin’i Niaina

Nanao fanambarana ny Collectif de Citoyens Franco-Malgache, na ireo vondrona Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay monina any La Réunion sy Frantsa, mahakasika ny CENI sy ny hala-bato nisy teto amintsika tamin’ny taona 2018 :
Ireo vondrona Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay monina ao La Réunion sy Frantsa, dia nanamafy ny faha 4 ny volana febroary 2022 lasa teo ny taratasy efa nataon’izy ireo ny volana desambra 2021.

Amin’ny maha filohan’ny kômisionina Eoropeanina an’i Frantsa dia nampahafantatra azy ny valin’ny fangatahana natao teo anivon’ny Vondrona Eropeanina izahay, ny amin’ny nandraisan’izy ireo ny fitakiana ny hanokafana fanadihadiana mikasika indrindra ny nampiasana ny famatsiambola ho an’ny CENI nandritra ny fifidianana tamin’ny 2018.

Taratasy natao ho an’Andriamatoa filoha Frantsay Emmanuel Macron, izay misolotena an’i Eoropa noho izany izao natao izao, mba hijerena ny nampiasana izany volambahoaka Eoropeanina izany, amin’ny maha tany demokratika an’i Eoropa, ka nanomezany vola hiatrehana fifidianana demokratika, nefa amin’izao voaporofo fa misy tsy mazava.
Vokadratsin’izany dia ny fahoriana sy fahalovana mahazo ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy izao, satria tsy vokatry ny safidiny no lany ka ilaina fanadihadiana izany ary sazy henjana ho an’ny tompon’antoka.

Marihina fa adidy sy zo amin’ny maha olom-pirenena feno izao nataonay izao, amin’ny fanarahamaso ny vola omena sy ny nampiasana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny. Efa namaly sy vonona ny hanohana amin’izany koa ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny vovonana OLAF, izay miandraikitra indrindra ny fanadihadiana mikasika ny hosoka sy ny fampiasana ny vola nomen’ny Vondrona Eoropeanina. Maro koa ireo depiote sy loholona Eoropeanina efa nifampiresahina ary nampahafantarina ny zava-misy raha tsy hiresaka afa tsy ny teleferika fotsiny.

Azo lazaina fa nihaino arak’izany ny Vondrona Eoropeanina satria dia mba hampadio ny fanampiana omena ny traboina amin’izao fotoana dia izy tenany no mandefa sy mizara ireo fanampiana maro samihafa.