12 febroary – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao mahakasika ny raharaham-pirenena.

Ratsimandrava Richard sy Ravalomanana Marc: samy halan’ny mpanjanatany Frantsay avokoa ary nataony izay nialàny t@ fitondrana satria ireo no TENA TIA TANINDRAZANA.

Ratsimandrava dia maty novonoin’ireo rajakombazaha nokaramain’ny mpanjanatany, fa Ravalomanana Marc kosa mba afaka namonjy ny ainy.Vokatr’izany dia manjaka tanteraka ankehitriny ny vahiny sy karana sns… fa TSY MISY MPIARO intsony ny Tanindrazana.

Ravalomanana Marc, miandry anao ny Firenena hanarina izao Madagasikara nataon’ny sasany ho Firenena mahantra indrindra erantany izao.

Andrianjakahasina Rasamimanana
Mpamaky gazety Ny Valosoa