Ambatofaritana Faritra Vatovavy – Nanome fanampiana Ravalo ho fanarenana ireo Tranobe

Isambilo

Any amin’ny faritra Vatovavy iny amin’izao fotoana ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Mijery ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai izy sy ny delegasiona tarihany mandritra izany, no sady mitafa sy mihaino ny fitarainan’ireo vahoaka amin’ny fahasahiranany, manoloana ny fahapotehan’ny seha-pamokarana izay fototra iveloman’izy ireo ary ahafahana mitondra izay fanampiana ilain’izy ireo avy eo.

Tany Ambatofaritana, 40 km alohan’ny hidirana an’i Mananjary, renivohitry ny faritra Vatovavy, simba tanteraka ny 90 % ny famokarana, noho izany dia mety tsy hisy ny jirofo, ny litchis, ny lavanila hoy ny fitarainana nataon’ny mponina teny rehetra teny. Nanome fanampiana ny filoha Ravalomanana hanarenana ireo Tranobe ao amin’ity tanànan’Ambatofaritana ity.

Mbola any amin’iny faritra iny ny filoha Ravalomanana sy ny delegasiona tarihany amin’izao faran’ny herinandro izao. Miara-dia aminy amin’izany ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, ny filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM, Fetra Ralambozafimbololona,…