VELIRANO MIOVA AN-DALANA ?

Niova an-dalana ary ve ny velirano izay natao,
Sa, sanatria, ‘nareo mihitsy no efa tsisy kalitao?
Hatramin’ny teny izay tenenina no mazàna tsy tsaroana.
Sa dia efa fahazarana ilay miteniteny foana?

Vary ity vao mainka hafarana, vidiny vao mainka lafo.
Izany no hahavita tena eo amin’ny lafiny sakafo?
Angaha tsy dimy taona indray ilay fe-potoana efa nomena,
Sa dia rahoviana,hono, vao mba hahavita tena?

Ireo tantsaha mpamboly vary, mainka esorina amin’ny taniny.
Tena iharam-pandrahonana ary koa ilana vaniny.
Mandeha ny fangalaran-tany ataon’ireo “tsy valahara”.
(Sao dia tsy an’ny gasy intsony ianao ry Madagasikara?)

Zezika sy masomboly, izany izao no tena ilaina,
Saingy hatreto ny mpitondra tena tsy mampiasa saina,
Fa dia ny teleferika no ezahiny hafainganina,
Na dia hita tsotr’izao fa tena tsy hihinanan-kanina!

…Mampametraka baraingo ho an’ny eny ambanivolo,
Ireto veliranonao r’Ingahy Rateloambinifolo.
Tsisy tena mampandroso fa iniana atao letrezana,
Ka ianao mihitsy izao no ataon’ny maro ho “fihomehezana”!

DADAN’i RIANA (11-02-22)