Filoha Ravalomanana sy ny RMDM – Miara-ory sy mankahery ireo traboina

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny voina mihàtra amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, vokatry ny andro ratsy Ana, sy ny rivodoza Batsirai, misy ny fanambarana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny RMDM, Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara:

”nandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa nifanesy dia Ana sy Batsirai. Nisy ireo havantsika izay namoy ny ainy vokatr’ireo rivodoza ireo. Amin’ny anaran’ny tenako manokana, sy ireo mpikambana rehetra ato amin’ny RMDM dia miara-ory aminareo fianakaviana sy mitondra ambavaka anareo rehetra hatrany izahay. Miarahaba ihany koa ny Malagasy tsy maty fo aman’aina, satria tena mahery tokoa raha iny rivodoza Batsirai iny. Maro ny faritra no nitondra faisana vokatr’izany ary betsaka ny zavatra simba, na ireo fananana iombonana izany na ihany koa ireo fananan’ny fianakaviana tsirairay toy ny trano, ny entana tao an-tokantrano, ny fambolena sy fiompiana, sns… Mankahery hatrany ny vahoaka Malagasy aho mba tsy ho kivy ary tsy hitanondrika fa hitraka sy hiatrika kosa, ireo fanarenana ny simba. Manao antso avo ihany koa amin’ny fifanomezan-tànana eo amin’ny tsirairay any amin’izay toerana misy anareo tsirairay any. Homba antsika mandrakariva Andriamanitra ».

Voin-kava-mahatratra, araka ny fantatra, hitondra fanampiana, izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina nolalovan’ny rivodoza amin’ireo faritra samihafa eto amin’ny Nosy koa ny RMDM, tsy ho ela.