7 febroary 2009 – Tsy avy ao amin’ny lapan’Ambohitsirohitra ireo nitifitra

Ny Valosoa

Efa nentina teto amin’ny gazetintsika ny momba ny 26 Janoary 2009 nisian’ny fandrobana sy fandorana tanàna nataon’ireo mpiaradia amin’Ingahy Filoha amin’izao fotoana izao Andry Rajoelina. Fa tsy nionona tamin’ny fandravana ny vakopirenena sy ny fananan’olontsotra ry zareo, fa mbola zavadoza kokoa noho io voalaza io no niseho tamin’ny 07 Febroary 2009.

Andry Rajoelina izay efa nitonontena ho filoha faratampony teto amin’ny firenena dia nanambara, fa tsy maintsy tendrena ny Praiminisitra an-dalambe, sy ireo minisitra izay terena hiditra any amin’ireo minisitera samihafa.

Ny Sabotsy 07 Febroary 2009 no nambara fa ho tonga eto Antananarivo ilay mpanankato nanao sesitany ny tenany tany ivelany, hanatrika ny hetsika nolazaina fa goavana tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 Mey, tsy tonga ilay mpanankanto, fa tamin’io Sabotsy 07 Febroary 2009 io no notendren’Ingahy Rajoelina ho Praiminisitra Ingahy Monja Rondefo Zafitsimivalo, ary dia notsofiny rano haka ny Lapan’Ambohitsorohitra.

Niainga teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo forongon’olona notarihan’Ingahy Monja Rondefo, nandalo teo amin’ny Hotel Glacier, Bni , Ambohijatovo, niakatra an’Antaninarenina, nihazo an’i Pergola, ary niafara teo anoloan’ny Lapa. Nirefotra ny basy, anisan’ny maty voatifitra ny mpaka sarin’ny Rta Ando Ratovonirina, tsy izy irery fa maro ireo faty niampantrampatra teo Antaninarenina.

Novoizina mafy tamin’izany, fa ny Filoha Ravalomanana no tompon’andraikitra tamin’ny fandripahan’olona, Ingahy Rajoelina dia anisan’ireo namendrofendro vahoaka tamin’izany.

Tsy takona afenina anefa ny marina satria nivoaka ho azy ny vaovao nilaza fa nisy ny fihaonana tao amin’ny Villa Elizabeth tetsy Ivandry, ny tanjon’izany fihaonana izany dia ny fikotrehana rà mandriaka entina handotoana ny Filoha Ravalomanana, ary ny Zoma 06 Febroary 2009 hariva dia nisy ny fivoriana teny Ambatobe trano fonenan’ Ingahy Filoha Rajoelina amin’izao fotoana izao, nanatrika izany fivoriana izany , Monja Rondefo, Cyrille Rasambozafy, Alain Ramaroson, Ny Hasina Andriamanjato, Ramakavelo Desiré, sns… ny votoatin’ny fihaonana dia ny hanapoaka ny famonoan’olona, izay efa voalaza fa natao hanasoketana ny Filoha Ravalomanana.

Maro ireo mpiaradia tamin’Ingahy Rajoelina no nanitrikitrika fa tsy avy ao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra no niainga ny tifitra, anisan’izany ny Kolonely Charles Andrianasoavina, izay nanamafy fa tao amin’ny Biraon’ny Tresor sy Hotel Louvre ary Minisiteran’ny Fitantanambola ireo mpititifitra, ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana mahay momba ny “trajectoire balistique” dia nampiseho koa fa tsy avy ao Ambohitsorohitra ny tifitra, ireo voatifitra indray rehefa natao ny fizahana dia balan’ireo basy marovava jiosy izay navoakan’Ingahy Rakotomihantarizaka Organès tao amin’ny Polisy no nahavoa azy ireo, kanefa ny basy fampiasan’ny tao andapa dia tsy nisy afa tsy Kalachnikov, ary ireo naratra rehetra rehefa nanontaniana dia samy nanambara fa nianjera tany aloha avokoa nanatrika ny lapa, satria voatifitra avy aty aoriana. Ny dikan’izany rehetra izany dia tsy misy idiran’ny Filoha Ravalomanana sy ry Jeneraly Raoelina tompon’andraikitra tao andapa ny fatiolona, fa dia mazava be fa ireo nampandroba tamin’ny 26 Janoary 2009 ihany no nikotrika ny famonoan’olona ny 07 Febroary 2009.

Efa nisy ny fitsarana petatoko niampangana ny Filoha Ravalomanana fony izy mbola tany Afrika Atsimo, ankehitriny efa tonga eto i Dada kanefa dia tsy sahy miresaka ny fitsarana ny raharaha 07 Febroary 2009 ry Rajoelina mianakavy.

Tsy tokony hisy olona matimaty foana na mpamono olona ho afamaina eto raha mbola sokajiana ho tany tan-dalàna ihany ny firenentsika, kanefa dia iaraha-mahita fa manjaka ny tsy maty manota eto amintsika, fa ny tena loza dia maro ireo maty tsy nanota nanomboka ny taona 2009. Mikasika ilay mpanao gazetin’ny Rta maty voatifitra teny Ambohitsorohitra dia tsy nitory hatramin’izao Ingahy Edgard Razafindravaha mpampiasa azy, fa dia matimaty foana ilay tovolahy nanao ny asany amin-kitsimpo, ary eto ampamarana dia mila mailo ihany ny rehetra rehefa Ingahy Rajoelina no mitsodrano, satria teny Andavamamba ny 26 Janoary 2009 dia notsofiny rano ireo izay nandeha handoro ny Mbs ary ny 07 Febroary 2009 dia notsofiny rano ihany koa i Monja Rondefo haka ny Lapan’Ambohitsorohitra, dia niaraha-nahita ny zava-nitranga. Am-bava homana am-po mierotra ho ny fitenenana Malagasy izay.