Fifamoivoizana – Maro ireo lalana tapaka sy simba noho ny rivodoza Batsirai

Aly

Maro ireo lalana tapaka sy simba noho ny rivodoza Batsirai, nandalo teto amintsika ny faran’ny herinandro teo, efa am-panarenana an’izany ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Ireto avy ireo lalana nahitana fahasimbana sy fahatapahana ireo:

  • RN 7 : Ambalavao – Ihosy, PK 471+050 Kaominina Iarintsena ; nohon’ny fiakaran’ny rano dia tototra ny arabe, ka tsy afaka andalovana raha tsy mihena izany.
  • RN7: PK331+200, eo anelanelan’i Vohiposa sy Ambohimahasoa ; fihotsahan’ny tany ao ambanin’ny arabe, ka tsy afaka manohy ny diany ireo fiara vaventy hialana amin’ny fahatapahana tanteraka.
    Eo ihany koa ireo fihotsahan’ny tany sy filatsahan’ireo hazo amin’ireo PK maromaro izay nitarika fahatapahan-dalana tamin’ny RN7.
  • RNS 13: Taolagnaro – Amboasary, PK 441+600 ; misy fiatoana ny fifamoivoizana nohon’ny fiakaran’ny rano eo amin’ny radier an’i Bevilany. Rehefa midina ny rano vao afaka mandeha ny mpifamoivoy.
  • RN 2 : Moramanga – Brickaville, PK 184+300, izay nisy ny hazo nianjera ary efa nesorin’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina.
  • RNS 12: Manakara – Farafangana, PK 71 sy PK 98 ary ny PK 204+200, fanaisorana ny hazo kininina nianjera izay nibahana ny arabe.
  • RN 42: PK 14+ 500 Fianarantsoa – Isorana ; fihotsahan’ny arabe alohan’ny idirana eo amin’ny tetezana.
  • RN 34: PK 5+000 ; nisy ny hazo nianjera izay nanelingelina ny fifamoivoizana izay efa voaala.
  • RNS 25 Fianarantsoa – Mananjary, PK 22 et 25 : tapaka ny lalana nohon’ny fiakaran’ny rano sy fahasimban’ny arabe.
  • RN7 Ambalavao – Ihosy (Iarintsena) PK 471+050 : vaky ny arabe nohon’ny fandalovan’ny rano.
  • RN7 Ambohimasoa – Vohiposa PK 331+200 : misy asa fanamboarana atao hahafahan’ireo fiara vaventy mandeha.
  • RN12 Manakara – Farafangana, PK 275+200
  • RNT18 Vangaindrano – Midongy Atsimo, PK 2+000.
  • RNT 8 Faritra Menabe PK 80+000.

Ho famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana dia misy ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any amin’ny Faritra, ireo ben’ny tanàna ary ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Napetraka hoy izy ireo izao paik’ady izao, mba hamerenana faran’izay haingana ny fifamoivoizana.