Moramanga – Misy fiatoana aloha ny fampiasana ilay Pont Bailey

Niaina

Misy fiatoana aloha ny fampiasana ilay Pont Bailey any Moramanga, mba hanatsarana ny fifamoivoizana amin’izany tetezana izany. Misy ny fanambarana avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy mahakasika izay. “Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy dia mampilaza antsika mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa RN2, fa noho ny asa fanatsarana izay tsy maintsy hotanterahina manomboka ny 02 febroary 2022, eo amin’ny tetezana PK 108+600 Moramanga, dia hisy fiatoana ny fifamoivoizana any an-toerana. Ny asa fanatsarana atao dia ny fanamafisana sy ny famenoana ireo banga eo ampovoan’ny tetezana. Manantena antsika hatrany hanaraka ny fandaminana izay napetraka”. Maro ny mampiasa ity lalam-pirenena faha-2 ity, heverina fa tsy haharitra ny fanamboarana atao amin’izany tetezana izany.