Fiadidiana ny Repoblika – Misy fanavakavahana amin’ny fitondrana ny samy mpanao gazety

Niaina

Nitaraina ireo mpanao gazety tany Toamasina ny talata teo, tamin’ny fidinan’ny Filoha Rajoelina tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, fa nisy ny fanavakavahana ny mpanao gazety samy nanao ny asany nataon’ny tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny tao amin’ny seranana. Noho izay antony izay, misy ny fanambarana avy amin’ny Cellule de Crise ny asa fanaovan-gazety eto amintsika : «ny Cellule de Crise des Journalistes de Madagascar dia mijoro, ary mbola miasa hatramin’izao ary ivondronana mpanao gazety eran’i Madagasikara. Noho ny tranga izay nisy ny talata 01 febroary tany Toamasina, tamin’ny fanaovana ny tati-baovao, izay natao tamin’ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena dia tsapa fa nisy fanavakavahana eo amin’ny fitondrana ny samy mpanao gazety, miainga avy amin’ireo miandraikitra ny serasera, ka nisy ireo afaka nanaraka malalaka ny tranga sy seho tany amin’ny Port, nisy kosa ny voasakana noho ny antony tsy voazava hatreto tamin’ny fanaraha-maso io vaovao io.

Tsy fahatomombanana teo amin’ny fandrindrana ve? Raha vao niainga dia tsy nisy ny sakana, tsy nisy ny toromarika ary tsy nisy ihany koa fakana taratasy manokana ny amin’ny fanaraha-maso io hetsika io ary maro ny mpanao gazety, no nandeha fiara sy moto tamin’izany. Rehefa tonga teo an-toerana anefa dia hita fa nisy ny tompon’andraikitra voarara tsy afaka niditra tao amin’ity toerana ity. Ary teo koa no nahitana fa nisy ny mpanao gazety afaka niditra ary nisy kosa ny tsy afaka niditra.

Araka ny fanazavana dia hoe haingana ilay fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena, ka na ireo mpanotrona aza tsy afaka nahita akory izay tena natao teny an-toerana raha tara. Na nisy aza fanelanelanana, mba hahafahan’ny mpangao gazety maka feo sy sary, araka ny fanazavana azo teny an-toerana dia efa vita izay natao tao vao tonga ireo namana mpiara-miasa ireo.

Eo anatrehan’izao tranga izao, dia mametra-panontaniana ny Cellule de Crise des Journalistes de Madagascar hoe iniana ve izao fanosehana mpanao gazety tsy hanao ilay fandrakofana izao, sa tsy nahy? Fa na iniana na tsia, dia manohintohina ny zo amin’ny fahazoana vaovao malalaka izany, izay zo fototry ny olom-pirenena.

Noho izany indrindra dia mampahatsiahy ny tompon’andraikitra amin’ny ambaratonga rehetra izahay, mba hijery manokana an’io fahazoam-baovao sy ny fahafahana/fahalalahana amin’ny fampitam-baovao io. Mampahatsiahy koa izahay fa misy ny arofenitra izay azo hampiharina amin’ny tranga toy itony, ka afaka hampiharina amin’ny fotoana rehetra izany ary afaka vonona ho amin’izany ny mpanao gazety. Tsara kosa anefa, raha toa ka misy ny filazana mialoha ny fandrindrana/fandaminana, izay hisy sy hatao ho amin’ny tati-baovao, ny arofenitra ary ny fakana ny fanomezan-dalana”.