ANY IANAO RAMALOKILA

Ianao izay tokony ho lohany amin’ny fanajan-dalàna,
Ve no miova ho raiben’ny kolikoly eto an-tanàna?
Mbà Razoky menatra olona, apetraho ny fialana,
Fa manjary maty hasina ny tontolom-pitsarana!

Be no efa nahamarika ny nataonao tao ho ao.
Tsy nisy mba nahomby ireny saingy nidedahanao,
Satria ny aretin’ny mpitondra, zary lasa nifamindra
Dia ilay hoe: ny fidedahana, io no lehibe indrindra!

Ianao izay tokony ho lohany amin’ny fanajan-dalàna,
Ve no miaro ny mpibizina tokony ho any am-pigadrana?
Aza gaga raha izany, mieboebo ny karàna,
Fa voavidiny tanteraka ‘nareo izay manam-pahefana!

Ka ny teninay dia tsotra, tsisy ampiana na itarina,
Ianao izay tanisaina etoana, mijoroa hanao ny marina.
Fa ny seha-pitsarana, efa mampiteny irery,
F’ao ny manam-bola hatrany no mandresy sy mahery!

IRINA HO TAFITA (04-02-22)