Traboina amin’ny Boriboritany miisa 6 – Nahazo ny anjara fanampiany avy amin’ny antoko TIM

Isambilo

Nahazo anjara fanampiana avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tamin’ity herinandro ity, ireo traboina amin’ny Boriboritany miisa 6 eto Antananarivo Renivohitra. Ny birao politikan’ny antoko, sy ireo depiote voafidy tamin’ny anaran’ity antoko natsangan’ny filoha Marc Ravalomanana ity, eto an-drenivohitra no nanatanteraka izany fanampiana ny traboina izany.

Nidina ifotony, nirobo-drano, hatrany an-tranon’ireo traboina mihitsy izy ireo nandritra izany. Vary, siramamy, savony, labozia ary sakafo masaka ihany koa no nomen’ny antoko an’ireo tra-pahasahiranana noho ny vokatry ny loza voajanahary iny. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionalin’ny TIM Rina Randriamasinoro fa: ”miaina tanteraka ato anaty fahasahiranana ny vahoaka malagasy ankehitriny, indrindra fa ireo mponina tratran’ny tondradrano. Nanjary lasa tra-boina tsy fidiny, tsy maintsy hatrehina sy zakaina anefa izany. Amin’ny maha malagasy dia tena ilaina tokoa ny mifanampy sy ny mifanome tanana ary mifampizara ny kely hananana manoloana izao voina izao. Izahay eto amin’ny antoko Tiako i Madagasikara izay tarihin’ny filoha Marc RAVALOMANANA moa dia miezeka hatrany manampy sy manao arak’izay misy eo am-pelatanana. Izao no fotoana entina hanehoana ny firaisankiana eo amin’ny maha samy Malagasy. Araka ny kolontsaina sy ilay soatoavina malagasy hoe :«voin-kava-mahatratra», dia nitondra ny anjara birikiny ny Filoha Marc Ravalomanana, ka naniraka anay avy amin’ny Birao Politika sy ireo mpikatroka avy amin ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA, mizara fanampiana ho an’ireo traboina eto Antananarivo”.

Nitondra ny hafatra avy amin’ny filoha mpanorina ny antoko koa izy, nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana fa: “ manoloana ny fotoan-tsarotra toy izao no ilaina ny firaisankina sy fifampitsinjovana amin’ny samy malagasy, tsapako loatra izany very sy simba fananana hoy ny Filoha Marc Ravalomanana, ka izany no mahatonga ny avy amin’ny antoko tarihako mitondra ny anjara biriky fanampiana ho an’ny traboina izao”.