Filoha Ravalomanana – Tsy manary ireo traboina ny RMDM sy ny TIM

Nangonin’Isambilo

Mbola manamafy ny fanohanana sy fanampiana ireo traboina, noho ny andro ratsy nandalo farany teo teto amintsika ireny, ny mpanohitra RMDM sy ny antoko TIM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny Marc Ravalomanana.

Nosoritany nandritra ny fanambarana izay nataony omaly, fa tsy manary ireo traboina fa mijery akaiky azy ireo ny RMDM sy ny TIM:

“noho ny rivo-doza sy orambe izay niteraka ny tondra-drano mahazo ny faritra maro eto Madagasikara dia vao mainka latsaka anatin’ny fahoriana ny Malagasy maro. Miara-miory sy mankahery an’ireo fianakaviana izay namoy havana vokatr’izany ny tenako ary mankahery anareo rehetra izay tra-boina ihany koa.

Ny antoko TIM sy ny RMDM dia manao ny ezaka rehetra mba hitondra ny fanampiana maika, indrindra ny sakafo izay tena mahasahirana an’ireo havantsika ireo. Eto dia misaotra sy mankasitraka an’ireo izay tsy nisalasala, fa nanome fanampiana an’ireo havantsika sahirana ireo.

Mbola manao antso avo ihany koa aho, ho antsika eto an-toerana sy ianareo any ivelany, mba handray anjara ary hifanampy amin’izao fahavoazana mahazo ny vahoaka Malagasy izao. Ny fandraisana anjara entintsika dia efa mahafaly ireo Malagasy havantsika ireo, koa manentana hatrany antsika rehetra aho amin’izao voin-kava mahatratra izao.”