Filohan’ny SMM vaovao – Tsy manaiky intsony ny fitsabahana amin’ny asam-pitsarana

Niaina

Nandray ny asany amin’ny maha-filohan’ny SMM, na Syndikan’ny Mpitsara eto Madagasikara azy, ANDRIATSITOHARISOA Mbitanarivo. Nilaza izy nandritra izany fa tsy manaiky intsony ny fitsabahana amin’ny asam-pitsarana: “AOKA HATSAHATRA NY FITSABAHANA AMIN’NY ASAM-PITSARANA, ARY AVELAO HALALAKA HANAO NY ASANY NY FITSARANA”, hoy izy.

Hentitra amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana ny tenany, sarotiny amin’ny anajana ny tany tan-dalàna, sy ny fahaleovantenan’ny mpitsara, ka ahafahany mampanjaka ny marina. Tsy ny mpanatanteraka ihany, no manao tsindry, fa ao koa ireo mpanao lalàna amin’ny alàlan’ireo olom-boafidiny, hoy izy. Tsy ny mpitsara irery no mizaka ny vokadratsin’izany, fa ireo vahoaka sy ny mpitandro filaminana miara-miasa aminy koa.

Tsy hanaiky lembenana intsony izy ireo amin’ny fitakiana nataony nefa tsy mbola tanteraka. Nisy ny zavatra efa tapaka tamin’ny taona 2012, namafisina izany tamin’ny 2017, ka tokony hojerena akaiky. Aoka izay ny famezivezena ary aza atao rano dikain’ny zinga ny zavatra efa nifampiresahana, hoy ity mpitsara tanora ity.

Hanao hetsika manokana momba ny ady amin’ny kolikoly ihany koa ny SMM. Ny toky fitaka fa ny hatao no ho hita, hoy ny fomba fiteny izay, ka ho hita eo ny ho akon’izany fanambarana nataon’ny filohan’ny SMM vaovao izany.