Angôvo – Maro no potika fihariana noho ny delestazin’ny Jirama

Niaina

Be ireo mitaraina amin’izao fotoana noho ny fahatapahan’ny jiro lavareny ataon’ny orinasa Jirama. Raha ora roa no voalaza fa faharetan’ny delestazy isan’andro araka ny nambaran’ny tompoon’andraikitra, sy ny ministry ny angôvo mahakasika ity raharaha ity, mahatratra ora 4 na ora 5 mihitsy aza izany isan’andro amin’izao fotoana.

Vokany, maro ireo simba fihariana eto an-drenivohitra sy ny manodidiana, indrindra ireo manao asa tena: toy ny mpivarotra, ny mpanao volo, ny mpanefy, ny mpanamboatra fiarakodia,… eny na ny asam-panjakana any amin’ny birao aza dia mikatso noho izay fahatapahan-jiro tsy misy farany izay.

Hita fa tena tsy voafehin’ny Jirama sy ny fitondrana Rajoelina intsony ny mahakasika ity resaka delestazy ity. Tsy vitsy no mampiaka-peo noho izay antony izay, tokony hametra-pialana ny mpitondra rehefa tsy voavahany io olan’ny angôvo io.

Tsy ny jiro ihany no tsy misy, fa hatramin’ny rano koa dia tratran’izay “delestazy” izay. Tsy ho zaka intsony io fihafian’ny mpanjifa io ato ho ato, raha izao no mbola hitohy haharitra!