Raharaha Mahery Lanto Manandafy – Tsy ekena intsony ny ramatahora ataon’ny fitondrana Rajoelina

Niaina

Misy ny fanambarana avy amin’ny RMDM, Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, mahakasika ny raharaha Mahery Lanto Manandafy (Malama), ny faran’ny herinandro teo ary nitohy omaly. Tsy azo ekena intsony izao ramatahora ataon’ny fitondrana Rajoelina izao hoy izany fanambarana izany: “manoloana ny fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy nohon’ny fanehoan-kevitra tsotra nataony tao amin’ny Facebook dia iaraha-mahita, fa misy tokoa ny fanamparam-pahefana ary fanitsakitsahina ny lalampanorenana ataon’ny mpitondra.

Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-10 ny lalampanorenana, fa iantohana ny fahalalahana maneho hevitra. Ny fiampangana sy ny fitazonana azy, izay nataon’ny mpitandro filaminana dia azo adika tsotra izao, fa fanaovana ramatahora an’ireo Malagasy rehetra sahy maneho ny heviny ankahalalahana, sy mitsikera ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Arak’izany dia efa mihàtra eto amin’ny firenena ny didy jadona sy ny fanapotehana ny demokrasia.

Tsy azo ekena intsony ny fanaovana ramatahora, ny didy jadona, ary ny fanitsakitsahina tsy misy farany ny lalampanorenana ataon’ny mpitondra fanjakana iarovana ny tombontsoa politikan’izy ireo. Noho izany dia manameloka tanteraka izao fiampangana sy fitazonana an’Andriamatoa Mahery Lanto Manandafy izao izahay. Takianay ny hamotsorana azy haingana ary tsy misy fepetra. Melohinay ihany koa ny fampiasana ny mpitandro filaminana, sy ny fitsarana ho fitaovana politika sy herim-pamoretan’ny mpitondra”, hoy ity fanambaran’ny RMDM nosoniavin’ny filoha Marc Ravalomanana ity.