Jean Bosco R, COMTIM Ambohitrolomahitsy – Haka fahefana matoa manao politika

Isambilo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay ho mpitantana ny rafitry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny anivon’ny kaominina, na ny COMTIM tany amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy distrikan’i Manjakandriana faritra Analamanga. Voafidy hitantana ity rafitra fototry ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity tamin’izany i Jean Bosco Randriamparany, tanora mpanao politika avy amin’izany toerana izany. Tamin’io fotoana io koa no nanaovana ny fameloma-maso ny antoko, sy fifampiarahabana tratry ny taona, teo amin’ireo mpikatroka ao amin’ity kaominina Ambohitrolomahitsy ity.

Tonga maro tokoa ny mpikatroka TIM nandritra izany, na ratsy aza ny toetrandro ny faran’ny herinandro teo. Nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, sady depioten’Antananarivo faha-5 Fetra Ralambozafimbololona, ny filohan’ny DISTIM Manjakandriana Henri William Randriamanga, ny avy amin’ny Vehivavy TIM Analamanga nahitana ny filohany Rahelisoa Arphine sy ny mpikambana Ramatoa Bodoarilala.

Nambaran’ny filohan’ny COMTIM Ambohitrolomahitsy Jean Bosco Randriamparany nandritra io fotoana io, fa matoa manao politika dia vonona haka fahefana izay. Vonona haka fahefana hatrany ny antoko TIM hoy izy, amin’ny fotoana rehetra mampety izany. Notsiahiviny fa nahazo 80% mahery ny vaton’ny mpifidy, tany Ambohitrolomahitsy ny filoha Marc Ravalomanana, tamin’ny fifidianana filohampirenena natao farany teo teto amintsika ireny, mbola hanao ny tsaratsara kokoa noho izany hatrany Ambohitrolomahitsy amin’ny ho avy hoy izy, ka ny kinendry dia ny hamerina ny filoha Marc Ravalomanana indray eo amin’ny fitondrana.

Hanamafy ny fototra ihany koa ny COMTIM Ambohitrolomahitsy, ka hanangana ny FOKOTIM amin’ireo fokontany miisa 20 mandrafitra ity kaominina ity, hoy i Jean Bosco. Ny filohan’ny DISTIM Manjakandriana Henri William Randriamanga dia nampahatsiahy, fa tsy mora ny fanenjehana ny TIM hatramin’ny taona 2009, na izany aza dia mijoro ary vao mainka miha-matanjaka aza ity antoko natsangan’i Dada ity hoy izy, satria ny TIM no anisan’ny antoko manana ny rafitra fototra manerana an’i Madagasikara.

Noho izany, tsy hatahotra ireo vitsy an’isa mpandrombaka fahefana amin’ny tsy marina ireo isika, hoy ny depiote Fetra, nandritra ny lahateniny, tsy hatahotra intsony izay mety ho fampihorohoroana ataon’izy ireo. Ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga, Rahelisoa Arphine kosa dia nanentana ireo vehivavy tany an-toerana hanao politika, handray anjara amin’ny raharaham-pirenena, nanentana azy ireo izy hanara-maso ny lisi-pifidianana.