Antoko TIM – Manatona hatrany an-tranon’ireo traboina

Isambilo

Tsy mijery fotsiny ireo traboina vokatry ny andro ratsy teto amintsika farany teo ireny, ka niteraka tondra-drano, sy fihotsahan’ny tany, teto Antananarivo sy ny manodidina ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa nitondra ireo voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina ireo.

Nirobo-drano, tonga hatrany an-tranon’ireo olona tra-boina ny avy amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, notarihan’ny sekretera jeneralin’ny nasionalin’ny antoko Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina. Nitondra fanampiana izy ireo tao amin’ny Boriboritany faha-3 sy tao amin’ny Boriboritany faha-6, araka ny toro-mariky ny filoha mpanorina ny antoko: nitondra vary, menaka, savony, labozy,… sy ireo zavatra ilain’ireo mponina ireo, amin’izao fahasahiranana lalina mahazo azy ireo izao. Mbola hiitatra amin’ireo Boriboritany hafa eto Antananarivo, sy ny manodidina, izao fanampiana ataon’ny antoko TIM ny traboina izao.

Ankoatra izany, hitondra ny anjara birikiny, hanampy ireo vehivavy TIM traboina koa ny Vehivavy TIM amin’ny faritra Analamanga, tarihan’ny filohany Rahelisoa Arphine. Omaly izy ireo no nanangona ireo fanampiana hatolotra amin’izany, izay homena ireo vehivavy TIM traboina ny zoma ho avy izao. Ny fanampiana hataon’izy ireo dia tsipaipaikan’ireo mpikamabana, sy fanampian’ireo malala-tanana koa: na ny avy eto an-toerana izany, na ny avy any ivelany.