Lasa Me Olala – Mpisolovava mpiaro ny tsy rariny

Stefa

Lavo ny andrarezina, lasa Me Olala na Me Willy Razafinjatovo, nodimandry afak’omaly teo amin’ny faha-76 taonany, tao amin’ny Hopitaly Andohatapenaka. Nahafantarana azy ny fiarovana ny tsy rariny samy hafa misy eto amin’ny firenena, ny fiarovana ireo raharaha mafampana nisy, nanampy ireo rehetra izay tratran’ny tsindry hazolena koa ity mpisolovava ity. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fiankaviany ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM sy ny antoko TIM:” tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesana ny fahalasanan’i Maître Willy RAZAFINJATOVO na i Maître Olala.

Nampiavaka azy ny fahasahiany sy ny fijoroany manoloana ireo tsy fahamarinana sy ny tsy rariny nisy teto amin’ny firenena. Koa amin’ny anaran’ny tenako manokana, sy ny ankohonako ary ny mpikambana ato amin’ny Tiako i Madagasikara (TIM), sy ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) dia maneho ny fiaraha-miory sy mitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviany”.

Omaly, tonga nitsapa alahelo ny fianakaviany tetsy Ankadifotsy koa, ny fianakaviambe ny RMDM sy TIM, nahitana ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ny avy amin’ny RMDM, notarihan’ny filoha lefitra nasionaly avy amin’ny faritanin’i Toliara, Pasitera Edouard Tsarahame. Nisongadina tamin’izany fa very olomanga ny firenena, very ireo mpiaro azy, ireo iharan’ny tsy rariny samy hafa.