Doro trano tamin’ny 26 janoary 2009 – Namela tantara ratsy ho an’ireo izay nanao azy

Ny Valosoa

Tsy mbola maty ao an-tsain’ny vahoaka Malagasy ny herisetra nataon’ireo mpandroba fahefana ny 26 JANOARY 2009, 13 taona lasa izay, dia ny doro-trano izay nanombohan’ny mpandetika firenena ny asa ratsiny, io ilay nantsoina hoe “lundi noir” na “Alatsinainy maizina”. Maizina tokoa satria nihorohoro Antananarivo iray vohitra satria nirehitra ny tanàna, noho ny nataon’ireo mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga, notokanana ny “kianjan’ny demokrasia” ny Sabotsy 17 Janoary 2009, herinandro taorian’io ny Sabotsy 24 Janoary 2009, dia nanambara Ingahy Rajoelina fa izy amin’izay no mibaiko ny polisy, ny zandary ,ny miaramila ary ny mpiasampanjakana, dia nolazainy koa fa mifarana ny hetsika teny Ambohijatovo , fa manomboka ny Alatsinainy 26 Janoary 2009 dia eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey amin’izay ny fihaonana ary atao isan’andro mandram-piongan’ny fitondrana tarihan’ny Filoha Ravalomanana.

Ny Alahady 25 Janoary 2009 dia tonga avy any Afrika Atsimo ny Filoha Ravalomanana, vahoaka marobe no tonga nitsena azy teny Ivato, sy nihoby azy tamin’ny lalana nolalovany niala teny Ivato hatreny Faravohitra.

Naharomotra ny mpomba an-dRajoelina sy ny forongony izany, ka tsy niandry ela ry zareo, fa ny Alatsinainy andro voalohany nidinana teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey dia raikitra ny fitaomana olona ho eny Anosy, nambara tamin’izany fa nisy hono mpianatra voatana tao amin’ny Lapan’ny fitsarana, noho izany dia mila manao rodobe any ny vahoaka hamoaka ireo mpianatra ireo. Saingy tsy izay no nitranga fa niroso tamin’ny fandorana ny Rnm sy Tvm, sy fandrobana ireo entana tao amin’ireo toerana roa izy nitahiry ny vako-pirenena ireo. Very tanteraka ireo tahirimpirenena satria izay tsy may dia voaroba.

Taorian’ny tao Anosy, dia nanambara Ingahy Rajoelina teny Andavamamba, fa handeha hamonjy fodiana izy, ka notsofiny rano izay handeha handoro ny Mbs sy ny Tiko eny Tanjombato, tsy ireo ihany no voaroba sy may, fa tratra koa ny fananan’olontsotra teny Analakely, Behoririka, Ankorondrano, marihina fa nolalovan’ny mpandroba fotsiny ny Building Ramaroson, Savonnerie Tropicale, ny fananan’i Edgard Razafindravahy teny Ankorondrano fa tsy nokitihana.

Tsy ny teto Antananarivo ihany no nodorana sy norobaina ny fanananan’ny Filoha Ravalomanana, fa nitohy tany amin’ny faritra izany ary hatramin’izao dia mbola maro ireo fiaran’ny Tiko tsy mbola naverina. Hatramin’izao dia mbola mitohy ny antsojay atao amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny orinasany, tsiahivina fa nisy tamin’ireo mpomba an-dRajoelina nahavita niteny hoe:” potehina ny fananan-dRavalomanana, fa rehefa rava ny fananany dia tsy manambola intsony izy hanaovany politika”.

13 taona aty aoriana mbola eo ihany ny Filoha Ravalomanana, efa ho 8 taona izao izy no tafaverina avy any Afrika Atsimo, vao mainka mitombo ny fitiavan’ny vahoaka malagasy azy, sady efa mahatsiaro tena tanteraka ireo vahoaka ireo, fa tsy azo ianteherana ny mpandroba sy ny mpandoro.

Ny mampalahelo dia ankehitriny mbola misitraka ny voka-dratsin’ny nataon’ireo tsy mataho-tody ny vahoaka, satria ny tondra-drano izay iainana ankehitriny dia vokatry ny gaboraraka nataon’ireo nahazo fahefana tsy an-drariny, ny fahamaizana tesy sy eroa dia mbola tohin’ny vitan-dratsy nentin’ireo nilalao afo ary ny herisetra tsy an-drariny sedrain’ny vahoaka dia mbola farasisan’ny zava-doza noketrehin’ireo tsy mitsinjo ny farany.

Ny zava-nitranga tamin’ny 13 taona lasa, izay noheverin’ireo mpandroba fahefana ho ampinga nandreseny dia lasa vainafo tsy miala eo an-tampondohany, ary ny Filoha Ravalomanana, izy nofofoina dia vao mainka mitombo ny fitiavan’ny vahoaka azy.